Tsy nandeha nanatrika ny fifampiarahabana tratry ny taonan'ny Malasy eto Roma aho androany dia aleo mba hi-blaogy aloha. Isan-taona tokoa dia mifamotoana ny Malagasy eto Roma sy ny manodidina dia miara-mivavaka sy mikoràna kely. Tamin'ity taona ity aho vao mba tsy nandeha hatramin'izay 6 taona nipetrahana teto Italia izay. Tsy afaka mankaiza tokoa fa mitaiza :-) Mbola tsy matiko lolo ilay Aina voan'ny sery taorian'ny nandehananay nanatrika Krismasy ka dia aleo mipirina aloha. Amin'ny herintaona indray mandeha fa mbola hisy foana isantaona.
Anisan'ny risika goavana izay nataoko tamin'iny faramparan'ny taona lasa iny ny nanaovako veloma ny Facebook ka tsy nidirako tany intsony. Araka ny nolazaiko moa dia tsy nanenenako mihitsy iny fihetsika nataoko iny na dia tsikaritro fa betsaka aza ireo namana (lavitra sy akaiky) izay nanjary tsy hitako hifaneraserana intsony. Izay no maha fanamby azy. Nasiako hafatra rahateo any ho an'ireo izay mbola te hifandray amiko. Ny fanamby faharoa ataoko dia ny hampiasana teny Malagasy ao amin'ny Twitter. (tohiny)
Ity sarimihetsika kely ity no entinay telo mianaka miarahaba anao sy ny ankohonanao amin'izao fahatongavan'ny Noely 2009 izao. Efa reradreraka ihany i Aina vao vita ilay video ka somary nitomany izy amin'ny farany. Mirary soa sahady ihany koa amin'io taombaovao 2010 io. Samy hoambinin-java-manasatra, hahita ny soa sy ny mamy daholo.
Mbola resin'ny Italiana ny Malagasy raha resaka fotoana... ilay hoe fotoan-gasy. Resaka fitaterana izay hitako isanandro isanandro dia ny 80% n'ny fiaran-dalamby raisiko no tara mihoatra ny 5 minitra. Omaly ohatra dia tara 15 minitra ny fiara tokony ho nandehanako nody omaly hariva avy niasa. Dia teo ampiandrasana nivezivezy tao anaty gara tao aho no gaga tampoka nahita fa nisy fiara hafa koa tara 175 minitra be izao. Tsy naharitra aho dia naka sary mihitsy.
Ny tena mandreraka dia tsy mba misy mimenomenona izany mihitsy ny olona aty rehefa tara... kanefa raha himenomenona amin'ny zavatra hafa tsy dia misy dikany tahaka ny inona. Asa, mety hakamoana ny hiasa sns angamba. Nisy fotoana aza, tamin'iny vakansy lehibe iny, nandeha tany Torino izahay dia tara 45 minitra, dia nandeha nanao fitarainana sy naka remboursement, dia gaga daholo ny olona hoe azo atao kay izany. Tsy vakiny akory ny filazana ao anatin'ny tapakila hoe raha vao tara mihoatra ny 30 minitra ny fiara dia afaka mamerina ny ampahany amin'ny saran-dalana ny tomponandrikitra.