Omaly izany no nankalazana ny 26 jiona teto Roma. Tsy maintsy
ezahina ho asabotsy alina foana fa raha tsy izany tsy misy handihizana.
Efa fantatra ihany fa vahoaka mpi-fety ny Gasy eto Roma ka raha tsy
misy fandihizana dia karazan'ny tsy manao fety (hafatra ho an'izay
Ambassadeur vaovao ho avy eto io). (tohiny)
Tara be loatra ny fandehananay teny amin'ny ranomasina tamin'ity 2007 ity. Betsaka angamba ny zavatra nanahirana. Omaly izany ny ranomasina 2007 voalohany. Tsy niova ny ranomasin'i Ostia, be olona, mangidy sira :-), na dia hoe tsy teny amin'ny toerana mahazatra aza izahay no nandeha. Efa hariva izahay vao tonga teny fa mbola be asa... nafana ny rano saingy tsy nijanona ela tao fa toa mbola tsy tena nivonona ny hilomano. Tohizana amin'ny heriny angamba.
Omaly aho tamin'ny niresaka tamin'ny zandriko vavy dia nilazany hoe hanao harendrina ry zareo ny hariva. Dia tadidiko ny zavatra rehetra fanaonay rehefa 26 jiona izay inoako fa tsy dia niainan'ny olona sasany loatra. Tamin'izany fotoana izany, vao manomboka kely fotsiny ny volana jiona dia efa manomboka ny tsipoapoaka etsy sy eroa. Hitanao amidy eny rehetra eny ilay karazana dinamita kely misy lahiny hatramin'ny kely indrindra eo amin'ny 5cm eo izay amidy 20 ariary ka hatramin'ny lehibe tahaka ny labozia izay tsy haiko ny vidiny fa tsy mbola nividy aho. (tohiny)
Hira anisan'ny tiako tamin'ny taloha... sendra nandeha tao amin'ny Runaway Bride ilay izy dia niverenana nohenoina indray dia notadiavina dia hita. (tohiny)
Nandeha kely tany Venise aho tamin'ity weekend ity (atao antso avo satria vao sambany tany :-)). Niala zoma dia tonga alahady. Nieritreritra hoe tafala teto Afrika... kay tafala tapany fotsiny. KOa satria asabotsy maraina ny fotoana novonjena tany kanefa mbola niasa zoma hariva dia voatery nandray fiaran-dalamby mandeha amin'ny alina izahay. Naharitra teo amin'ny (tohiny)