Rehefa tsy mifanerasera amin'ny ankizy miteny malagasy ny zaza malagasy fa ny ray aman-dreniny sy ny olon-dehibe manodidina azy ihany no miteny malagasy miaraka aminy dia mihena be dia be ny voambolana ananany. Hafa mihitsy mantsy hoe samy ankizy dia voambolan'ny ankizy no henony dia mitombo tsikelikely izy. Mba tsy ho very izany ny teny malagasy ao amin'ny ankizy teraka taty an-dafy dia mila ampilomanosina ao anaty tontolon'ny ankizy malagasy izy. Tokony hisy fotoana maharitra hampiainana azy ny tontolon'ny ankizy malagasy ka na ny ray aman-dreny no midina ho ankizy mandritra io fotoana io na izy asaina mijery na mihaino sarimihetsika na feo misy resaky ny ankizy tena malagasy.
Ilay hoe ny ray amandreny no midina ho ankizy malagasy dia tsy midika akory hoe manao fibadabada rehefa miteny (izay miteraka fifangaroana voambolana indray) fa miezaka kosa maka sary antsaina hoe raha ankizy malagasy daholo no manodidina ny zaza iray dia inona no mba vetin-dresaky ry zareo, inona ny kilalao lalaoviny, inona no manaitaitra azy sns. Ny teny malagasy mantsy dia tsy voambolana sy fanabeazam-bohon-teny ihany fa kolontsaina manontolo mihitsy.
Marina fa tiako i Lego sy ny angorodaony saingy tsy mikasika azy mihitsy ity lahatsoratra ity... asa nefa sao dia avy amin'ny Lego tokoa no nakan'ny ray amandrenin'i Lego ny anarana hoe Lego :-).
Lego hafa mihitsy no tiako holazaina mantsy, dia ilay kilalao plastika atambatambatra, miloko maromaro, hahafahana mamorona zavatra maro. Androany 28 janoary hono no tsingerin-taona tena niforonany ara-dalàna... izany hoe nanoratana azy ara-panjakàna. Ho ahy dia anisan'ny nofinofy fahakely adino ilay izy ka nipongatra indray nony nanan-janaka. Dia nanomboka nividianako potipotika Lego ny boay kely ka dia rafitra mandrava sy manorina tokoa. Ny tena lafy tsaran'ilay Lego dia tsy manam-petra ny famoronana. Ny fetrany, mazava ho azy, dia rehefa tsy ampy intsony ny biriky kely. Manitatra tsara ny sain'ny ankizy kely ilay izy, noho izany, ary mandany andro azy ihany koa. Mihena ny fotoana laniny amin'ny kilalao elektronika na ny fahitalavitra. Ny mahasosotra fotsiny dia tsy maintsy ravaina izay vita. Indraindray teneniko mihitsy izy hoe antsoy aho rehefa mahavita zavatra tsara dia alaina sary alohan'ny handravàna azy... saingy tsy vatra.
Indro sombintsombiny amin'ny Lego nataon'i Aina.
Na izany aza dia apetrako eto ihany ity hiran'i Lego (mpihira malagasy) ity... dadilahy (Ny daddi dia kodiakely amin'ny teny italiana... mbola kilalao koa :-) )
Nijery ity clip-n'i Syril sy Melky eto ambany ity aho dia mahatsiaro ilay lazain'ny Ntaolo hoe aza kivy fa ny vodisobika aza manan-tandrify... saingy aza misavi-tsaranga :-) Mahavariana tokoa ny mahita fa tena misy karazany ny olona, isaky ny faritra, isaky ny firenena, isaky ny firazanana, isaky ny fahefa-mividy. Ary samy mahazo ny anjarany daholo raha eo amin'ny fitiavana no resahina... satria samy manana ny anjara tsara ao aminy izay hitan'izay tia izany anjara izany. Ny olana matetika dia ny be fitetika tahaka andry Syril ka tsy afaka mamoaka ilay tena tsara ao aminy ho hitan'izay mety ho tandrify azy fa misavika ny tsy anjaran'ny tena. Tsy ratsy ny manandrana sao dia raikitra tampoka (mi-tanté sansa) fa tsy atao am-po mety hankarary satria manjary mitomany randrana manendrika ny hafa. Aleo avoaka araka izay tratra fotsiny ny kanto indrindra dia mionona amin'izay mankafy.
Fa na izany na tsy izany dia misaotra an'i Syril sy Melky namoaka tokoa ny fiainana an-davan'andron'ny olona.
Resaka fampidirana tsy misy idirany mihitsy. Nitady lahatsoratra vitsivitsy momba ny mondial nosoratako tato amin'ny blaogy aho dia gaga fa hay tena nanoratra be tokoa aho taloha. Ary tamin'izany tsy voatery nasiana sary sy rindra fa izay tonga tao ambava sy tao antsaina ary tao am-po dia nosoratana. Tiako haverina indray izany fomba fanoratra eto amin'ny blaogy izany. Tamin'izany aho mantsy resy lahatra foana hoe valako ity aloha voalohany indrindra... dia izay tiako hosoratana ho ahy. Ny mpamaky manaraka ny onjany eo. Matetika ny mpanoratra blaogy mieritreritra be loatra ny mpamaky azy dia lasa mpanao gazety tsy fidiny :-). Nefa amiko dia fizaràna sy fifampizaràna aloha no atao. Mandray izay raisiny eny ihany ny mpamaky.
Fa izany eo ihany fa herinandro sisa dia baolina :-)
Toa ny lehilahy rehetra maro dia mba tia baolina koa aho. Any Brazily nefa ny fiadiana ny amboara eran-tany amin'ity taona ity. Izany hoe tsy mitovy ora amin'ny aty Eoropa sy Madagasikara. Nojerena ny fandaharana dia misy manomboka sasak'alina sy manomboka amin'ny 3 maraina, izany hoe tapitra amin'ny 5 maraina any ho any. Aleo apetraka mihitsy ho hita sy hotadidiana fa raha izao no mitohy dia haka congé :-)
Dieny mazotozoto dia navoaka indray koa ny RadioVazoGasy amin'ny Android. Ny player dia izay efa nataon'i SetraR ihany fa nahitsy kely fotsiny. Ny fandrindrana ny fandaharana hira kosa no namboarina tanteraka.
Ity App Radiovazogasy ity dia natao indrindra hihainoana ny RadioVazoGasy, handaharana hira handeha ao amin'ny RadioVazoGasy, ary hametrahana hafatra amin'ireo hira izay mandeha.