Ity blaogy ity no mba fitantarako ny zava-mitranga izay vakin'ny fianakaviana any an-tanàna ka matetika dia izay zavatra iainako no tantaraiko. Amin'ny maha blaogy azy dia tsy lahatsoratry ny mpanao gazety ka aza gaga loatra rahefa mamaky azy. Tamin'ny alahady no nanandratana ho olomasina an'i Papa Joany XXIII sy i Papa Joany Paoly II teny amin'ny tany malalak'i Md. Piera teny Vatikana. Anisan'ny mba afaka nanatrika izany indray aho satria dia efa elaela tsy nanatrika zavatra tahaka ireny na dia mipetraka eto Roma aza. Tamin'ny herintaona aho izao no namonjy farany, tamin'ny nifidianana an'i Papa Fransoà.
Tsy misy resaka fitsarana olona mihitsy fa mba manimanina ny taloha aho dia nandefa soratra niakatra. Sendra nisy resaka mantsy hoe nilay ihany ny hiran'i Rija Rasolondraibe taloha ireny. Ry "Miandry anao" sy ry "Anjara tandrify". Fa amin'izao, ary efa ela mihitsy, no tsy nohirainy intsony ankalamanjàna (na mety hoe antsokosoko koa). Hira nitaiza ny tena tamin'ny fahatanorana ary anisan'ny nikolokolo ara-pitiavana. Azy ny hira ka anjarany sy safidiny ny mihira na tsy mihira azy fa ny akon'izany sy ny fiezahana hitady ny antony no mahalasa saina. Fa naninona tokoa no tsy nohiraina intsony? Tsapa taty aoriana ve hoe ratsy? Vokatry ny fandresen-dahatra hita tamin'ny resaka finoana ve? Ary raha misy olona vonona hamelona ny hira (cover na tsia) indray ve dia tsy maninona?
Fa ny atahorako dia toa hoe mitady hanao toa izany koa i Poopy. Rehefa resy lahatra amin'izay mandresy lahatra azy izy dia tsy hohirainy intsony ny hira taloha. Dia tsaroako ilay resaka nolazain'i Dama izay ny hira rehefa malaza, tafiditra am-pon'ny olona, dia tsy an'ny artista irery intsony na dia izy aza no tena tompony. Misy ireo olona izay mandray ilay hira ho ampaham-piainany mihitsy. Ka raha manapa-kevitra ny mphira hoe hanova ny tonony, ny gadona, ny mpihira azy, dia misy akony kely eo amin'ny mpakafy izany.
Ny hafatro ho an'ny artista mbola tsy lasa mpivavaka be dia hoe na "mibebaka" aza ianareo any aoriana any dia mba tsarovy ihany ny laka-nitàna. Aza ariana miaraka amin'ny koveta nampandroana azy ny zazakely... satria izaho dia mino fa nisy zavatra tsara azo raisina ihany ireny hiranareo ireny.
Ary raha i Samoela tokoa no lasa mpivavaka be? Aza hitako ka ho "Rava tanteraka tokoa" ny momba anay roalahy.
Fampidirana hafa. Andro iraisam-pirenena ho an'ny tany androany. Raha ny tokony ho izy izany, tahaka ny an'ny vehivavy (andro iraisam-pirenena no lazaiko) dia tokony tsy hiasa koa ny tany, na farafaharatsiny haka aina tapak'andro. Rehefa dinihina tokoa dia tena miha antitra ny tany, ny endriny aza niova raha taloha izy fisaka (afatsy ny rediredin'i Galilea), izao izy efa lasa boribory (tanteraka ihany ny rediredin'i Galilea). Manontany tena aho hoe inona tokony hanamarihako ity andron'ny tany ity. Ny an'ny sasany manadio tany, tsinjaraina ny fako mba tsy ho verivery etsy sy eroa. Ny an'ny hafa mitsitsy tany, tsy mampiasa fiara sy fiaramanidina firy androany (fa rahampitso vao manao double). Ny hafa koa manao sesi-tany (tsy fidiny ho any ny any Afrika Atsimo). Izaho mbola variana manontany... manon-tany. Tratry ny fety tany - sa hoe joyeux anniver-terre?
Fa tsy izay mihitsy ny resaka androany fa (tohiny)
FK [*]: Aza omena tsiny aho raha tsy tia saka na alika ao antrano fa fitiavako azy ireo mihitsy no tsy hiompiako azy. Amiko ireny biby ireny dia tokony hapetraka amin'ny toerana maha biby azy. Raha toa mantsy ka raisina toy ny olona izy dia manjary misy trouble d'identité ao aminy (loll) ary mety hiteraka complexe psychologique goavana ho azy hoe maninona aho no misy rambo nefa mitovy ihany izahay sy i lita. Adidy goavana ho ahy, raha mitaiza biby aho, io mametraka ny biby amin'ny toerany io ka aleo milamina. Tsy maintsy hampatsiahivina foana mantsy ny biby hoe "biby ity!" hahatsapàny fa tsy olona izy :-)