Merry Madagascar en video

2009-11-26 @ 21:06 in Sarimihetsika

Ny tena mahaliana ahy amin'ity Video ity dia ilay Kilalaka nandritra ny segondra vitsivitsy. Nandihy kilalaka i Dadabenoely :-)

 

Sarimihetsika faran'ny herinandro

2009-11-13 @ 16:20 in Sarimihetsika

Ireto ny sarimihetsika ezahiko hojerena amin'ity faran'ny herinandro ity.

 

  1. Boy A : Toa mahaliana hono
  2. Imagine That : Hihomehezana kely miaraka amin'i Eddie Murphy
  3. Mauvaise foi : film efa tamin'ny 2006 fa ohatry ny nahaliana ahy ny momba azy
  4. Quelqu'un de bien : Ilay quelqu'un de bien tamin'ny 2007 no notadiaviko dia ity indray no hitako. Toa mahaliana ihany anefa.
  5. Tricheuse : Karazana horonantsary tiako :-) 

 

Mandroso amin'ny lalina kokoa

2008-09-01 @ 14:40 in Izaho sy ny ahy, Sarimihetsika

Tsy ilay hira malaza (manjary atao @ fiandrasam-paty foana) no tiako lazaina amin'ny lohateny fa dika tsotsotra an'ilay fiteny hoe "Keep moving forward". Omaly hariva aho vao nijery an'ilay Dessin Animé (ie, mpakafy an'ireny aho) hoe "Meet the Robinsons" satria hanomboka hiasa androany fa vita ny fialantsasatra dia hoe te hihomehy kely. Rehefa fotoana tiako hanadiovana ny atidohako hanadino vetivety ny ordinatera sy ny mombamomba azy mantsy dia mijery film-njaza toa ireny aho.  (tohiny)

Into the Wild

2008-07-30 @ 10:09 in Sarimihetsika

Omaly alina vao hitako ilay Into the Wild na dia efa tamin'ny 2007 aza no nivoaka. Henoko ihany ny lazany fa noheveriko hahamonamonaina satria dia efa ho 150mn be izao. Nony nijery azy anefa aho alina dia tena nankafy tanteraka. Raha mbola tsy hitanareo dia mba jereo ihany. (tohiny)

Madagascar 2: The Great Escape

2008-03-16 @ 09:19 in Sarimihetsika

Dia hivoaka amin'ny faran'ity taona ity indray izany ny "Madagascar, The Great Escape"  (aka. Madagascar 2). Miala ao Madagasikara ry zareo amin'ity film ity ary dia mitontona indray any Afrika.  (tohiny)

Momba ahy
hery

Ho hitanao ato ny isandroko. Angoniko ato mba hovakiako indray any aoriana any :-)

calendar
« Mey 2019 »
At Ta Ar Ak Zo As Ah
    1 2 3 4 5
6 7 8 9 10 11 12
13 14 15 16 17 18 19
20 21 22 23 24 25 26
27 28 29 30 31    
Rohy
  • Blogroll
Tahiry