Basilica San Paolo

2006-07-01 @ 01:38 in Izaho sy ny ahy

Efa manomboka moa ny été eto Roma, dia manomboka koa ny fandehanana any an-dranomasina sy ny fitsidihantanàna ataonay . Ie, be loatra mihitsy ny zavatra eto Roma sy Italia ka raha tsy mitsidika tsikelikely dia angamba ho toy ny tany Nairobi hoe tsy nahita liona kanefa efa-taona tany Kenya.

Dia ny 29 jiona teo izahay tamin'ny hariva dia teny amin'ny Basilica San Paolo. Ao amin'io basilika io no lazain'ny lovantsofina ho misy ny fasan'i Md Paoly izay maty martiry tamin'ny taona 67 taorian'i Jesoa tamin'ny fanjakan'i amperora Nero. Fiangonana lehibe mihitsy (faharoa amin'ny lehibe indrindra manaraka ny Basilica S. Pietro). Anisan'ny mampiavaka azy koa dia izy misy ny sarin'ny Papa rehetra nisesy hatramin'izay. Nanomboka tamin'i Md. Piera ka hatramin'i Papa Benedetto XVI.

Fa ny tena nahagaga ahy dia misy sary hosodoko lehibe izay ao (jereo ny sary) izay eo amin'ny rindrina havanana raha manatrika ny otely. Ilay sary dia mampiseho ny fiaraha-misakafo teo amin'i Jesoa sy ny mpianany. Eo afovoan'izy ireo dia misy latabatra. Tena eo afovoan'ilay sary mihitsy io latabatra io. Dia ny mahagaga dia rehefa jerena avy aty ankavanana ilay sary dia mitongilana aty ankavanana ilay sariina latabatra. Dia rehefa mikisaka avy ary ankavia indray dia mitongilana miankavia ilay latabatra. Ny olona manodidina azy anefa tsy mihetsika. Raha tsy mijery akaiky dia toa sary 3D tsy mipetraka amin'ilay tabilao mihitsy ilay latabatra. Izay no noheveriko voalohany. Fa nony nanatona teo akaiky izahay dia sary iray ihany ilay izy.

Azo lazaina hoe effets optiques ilay izy... saingy hoe efa noeritreretin'ilay artista ve sa taty aoriana vao nitranga ilay effet? Rehefa sendra mandalo aty dia jereo

Raha te hamaky ny momba an'io basilika io dia tadiavo ao amin'ny google ny hoe Basilica San Paolo, Basilique Saint Paul Hors-le-mur sns... 

Verindrohy (trackback)

Momba ahy
hery

Ho hitanao ato ny isandroko. Angoniko ato mba hovakiako indray any aoriana any :-)

calendar
« Desambra 2023 »
At Ta Ar Ak Zo As Ah
        1 2 3
4 5 6 7 8 9 10
11 12 13 14 15 16 17
18 19 20 21 22 23 24
25 26 27 28 29 30 31
Rohy
  • Blogroll
Tahiry