Fety be eto Italia

2006-07-09 @ 22:39 in Ankapobeny

Araka ny efa noteneniko ihany moa tatsy ambadika tatsy dia hoe raha i Frantsa sy Italia no hifanandrina amin'ny Finale dia handresy Italia. Satria hoy aho ny Frantsay dia manao filalao mandamina sy miandry occasion parfaite vao mitifitra... fa ny Italiana kosa dia maika ny hamono foana na ho any na tsy ho any. 

Hita io nandritra ny 120 minitra nilalaovana. Penalty no nahafatesan'ny Frantsay ny hany baolina matiny nandritra ny lalao na dia betsaka aza ny occasions. I Malouda izay nahazo ny penalty dia afaka nitifi-davitra ihany talohan'ny nidirana tao anaty surface saingy nitady an'ilay perfection. Thierry Henry koa dia imbetsaka no nihanahana nanamboatra tongotra sy naka bahana tao anaty surface tao fa voatsaingoka foana. Dia iny nifarana tamin'ny tirs au but iny moa no niafarany. Tsy nahafaty ny anjarany i Trezeguet.

Koa alina tontolo dia fety be teto Italia. Tsy nifanendresana ny horakoraka isaky ny làlana rehetra. Ary androany hariva dia fety fihaonana amin'ireo mpilalao Italiana eny amin'ny Circo Massimo. Asa aloha na ho tonga eny ny tenanay . Fa sombiny tamin'ny fety omaly dia nisy ny nitondra ferapara misy ny filazana manjo ho an'ny Frantsay. Teo ny niantsoantso hoe "Zidane è morto" (hoe maty i Zidane), teo ny nihiakiaka fa vita ihany ny valifaty, nisy nampiseho soratra hoe "Ed ora, ridateci La Gioconda" (izany hoe avereno aminay amin'izay Monna Lisa). Teo koa moa ny fampisehoana bika izay tsy misaraka amin'ny Italiana. Ary ato am-piasana dia horakoraka hoe "Campione del Mondo" isaky ny mifampiarahaba. Dia arahabaina izany koa.

Verindrohy (trackback)

Momba ahy
hery

Ho hitanao ato ny isandroko. Angoniko ato mba hovakiako indray any aoriana any :-)

calendar
« Novambra 2023 »
At Ta Ar Ak Zo As Ah
    1 2 3 4 5
6 7 8 9 10 11 12
13 14 15 16 17 18 19
20 21 22 23 24 25 26
27 28 29 30      
Rohy
  • Blogroll
Tahiry