Fihaonan'ny namana serasera tao Paris

2006-08-23 @ 09:26 in Izaho sy ny ahy

Dia tsy maintsy hitohy ihany ity fihaonana ity. Taorian'ny fihaonana teto Roma tamin'ny 3-6 aogositra 2006 teo dia indro indray nidodododo nandeha tany Paris fa nisy fihaonana nokarakarain'i Maina indray tany.

Ny alin'ny asabotsy no nanaovana ny lanonana, tao amin'ny tranondry Maina ao Carrières-sur-Seine. Nanapa-kevitra ny handeha ihany aho nony hita hoe nisy frais mba azoazo ny Air France mandeha asabotsy miverina alatsinainy. Dia niala teto Roma ary ny asabotsy tamin'ny 1 ora tolakandro ary nigadona tao Paris CDG tamin'ny telo. I Lanto sy i Ds no nitsena... (teo ampiandrasana teo dia nihaona tamin'i r4d0). Tonga izahay dia nivantana tany amin'i Maina...

Efa tao daholo ry ferrari sy ny tariny (cathy, mimosa sns...) Ny vehivavy (i Lanto io) nijapy andry zareo efa nikarakara sakafo tao fa izaho sy i Ds kosa nijery ny lafiny teknika, indrindra ny fomba hanatanterahana ny diffusion en live amin'ny Radiovazogasy. Nanomboka ny fanandramana tany amin'ny 18h tany ho any... ary nandeha. Naka ny port 9000 ao amin'ny Radiovazogasy.com dia nety. Ny sary no somary tsy dia nazava. Ry printsy3 ao amin'ny DJ Infinity koa moa manao ny andrana amin'ny kapila mikasaoka... izay no maha Diji azy.

Rehefa vita izay dia nivoaka kely nividy beks dia sendra an'i raluc sy ny tavoahangina whisky... tsy hosotroin'i leiry (irery) akory fa hoentina any amin'ny fety. Maimaim-poana tokoa mantsy ny fety fa boisson fotsiny no entina (toa be aza ny tsy nitondra).

Nony tonga tao antrano izahay dia efa be be ihany ny olona. Nifampiarahaba sy nifankahalala teo. Dia toa natomboka amin'izay ny fety rehefa alinalina. Ny fandraisan'ny tompontrano aloha no nisantarana azy.  I Maina mbola tsy teo dia i Ferrari no niteny... niarahaba sy nandray... dia noterena hiteny koa aho :-). Inona moa no holazaiko eo afatsy ny niboredika nisaotra... nisaotra... nisaotra. Dia avy eo dia niroso tamin'ny fifankahafantarana ka i booboo no nijoro tamin'ny lalaony. "Anaranaaaa!...". Nikiaka ihany izy dia heno na dia ambanimbany feo aza :-). Fomba fotsiny ilay fifankahafantarana teo fa mbola tsy tonga tamin'ny farany akory dia efa adino indray ny voalohany.

Toerana telo no tena nanaovana ny fety. Ny trano malalaka izay nasiana ny tsakitsaky sy ny seza hipetrapetrahan'izay tsy mandihy (seza iray reservé ho an'i booboo), dia tao ambany, toerana natao handihizana. Ary tao ivelany, lavarangana sy tokontany, hifohana sigara sy hitonoana hena... ary hihaonan'izay mafana.

Dia natomboka tamin'ny afindrafindrao ary ny dihy. Mazava ho azy, tsy omby ny trano... dia nisy nanita-kevitra hitarika ny kélélé any ivelany. Kay tsy henony akory ny mozika rehefa tena tafavoaka. Dia niverim-potsiny e. Hilazana hoe efa betsaka ihany tamin'ny fanombohana.

Dia nisesy amin'izay ny dihy isan-karazany. Nanomboka koa ny tsitokotokon'ny mpanao pv(1) etsy sy eroa. Ny sasany indray nanomboka tamin'ny adidy teo amin'ny fandaniana ireo zava-pisotro. Ny mpaka sary (paparazzi sy mamarazze) niezaka nitahiry tao anaty boaty izay voatsirambin'ny tanany... tsy ankiera. Izaho moa taiza? Tany ambany, tany ambony, teo antenantenany... ah, dia nijery hoe mandeha tsara ihany ve ny fampitana azy ity amin'ny internet. Nosokafana koa ny chat dia indreo ry zareo tsy afaka tonga... mba nahita ihany.

Teo amin'ny 80 teo ho eo izahay. Nisy hono ireo tonga tao ivelany tao saingy tsy afaka niditra satria nitondra namana be dia be... dia nigidragidra (indrisy) Voatery nohidiana ny vavahady, ka izay mivoaka dia tsy maintsy mitady ny tompontrano.

Nony taorian'ny tamin'ny 1 maraina dia tonga ny mofomamy. Hay tsingerin-taona nahaterahan'i Cathy koa ilay andro dia nanararaotra ny namana mba hiara-mifety. Faly daholo. Tsy ratsy ilay gateau kah.

Nony maraindraina (...)(2) dia samy nody. Izay lavitra, toa anay, dia nijanona natory tamin'ny toerana efa voaomana... nifoha tamin'ny 11 dia nandeha nijerijery tanàna sy park.

Mbola tsy vita ny fety kah. Nony tonga tao antrano izahay dia nahita an'izay tsy afaka tamin'ny alina (diamondra27) naka ny anjarany. Raikitra koa ny fihinanana ravitoto sy henankisoa  (sa tsy henankisoa?). Ampoka tanteraka aloha vao nisaraka amin'izay ny hariva. Izaho mbola tsy afaka nody fa mbola alatsinainy maraina ny fiaramanidina ka dia nandeha tamin'ny namana hafa.

Alatsinainy maraina be tamin'ny 5 no nifoha... dia tonga teny amin'ny aeroport CDG tamin'ny 6:20. Soa ihany fa efa manana carte d'embarquement dia tonga dia niditra. Efa maika mihitsy aho satria miditra miasa amin'ny 9 maraina... na dia fantatra aza fa tsy ho tratra. Mba nisy fanantenana kely tao anaty avion satria nolazain'ilay mpanamory hoe tonga 20 minitra alohan'ny fotoana. Dia nigadona teto Roma (Fiumicino) tokoa tamin'ny 8h45 saingy indrisy, tsy tratrako ilay train tamin'ny 8h57. Dia voatery niandry hatramin'ny 9h27, ary dia tonga soa amantsara tao am-piasana ihany. Ohatran'ny hoe tsy tany Paris.

Nahafinaritra ny fihaonana ary betsaka no nilaza sahady fa handeha foana raha mbola misy amin'ny manaraka. Hafa ihany ny tena izy :-) 

CIMG0386 CIMG0375 CIMG0369 CIMG0367 CIMG0360 CIMG0356

(1) pv: miresaka manokana, fomba fiteny ao amin'ny karajia.org 

(2) ...: tsy tadidiko izay niseho fa zah natory :-)

Verindrohy (trackback)

Momba ahy
hery

Ho hitanao ato ny isandroko. Angoniko ato mba hovakiako indray any aoriana any :-)

calendar
« Novambra 2023 »
At Ta Ar Ak Zo As Ah
    1 2 3 4 5
6 7 8 9 10 11 12
13 14 15 16 17 18 19
20 21 22 23 24 25 26
27 28 29 30      
Rohy
  • Blogroll
Tahiry