Mandroso Google... zah kou.

2006-08-24 @ 10:06 in Serasera.org

Efa elaela aho tsy nijery ireo services natolotr'i Google noho ilay izy tsy actifs daholo. Rehefa misoratra anarana dia lazainy hoe hilazana ianao rehefa vonona ny tolotra. Anisan'izany ohatra ny Google hosted sy ny Google analytics.

Fa tamin'ity herinandro ity, nony hitako fa afaka misoratra anarana amin'izay izay tsy manana kaonty writely dia azo eritreretina fa nisokatra daholo amin'izay ny tolotra hafa. Nojereko amin'izay ny kaonty google hosted dia efa misokatra ho an'ny rehetra (fa tsy US ihany). Misokatra ihany koa ny google analytics ary dia efa ampiasaiko amin'izao fotoana izao. Ny google analytics dia fitaovana iray hanaovana mijery ny mpamangy ny takelaka (ny isany, ny toerana nihaviany sns.) Statistika izany ilay izy, ary mampiasa "urchin", fa google no mikarakara azy. Teo aloha dia ny webalizer no nampiasaina ary nandeha tsara. Nony nifindra serveur dia tsy nampiasa webalizer intsony. Koa io google analytics io indray no hijerena azy raha mety sy tsy mavesatra.

Javascript no ampiasaina amin'ilay google analytics ka client-side izany ny vesatra fa tsy server-side. Andrana fotsiny aloha na mety ilay izy na tsia... raha mavesatra loatra dia esorina. 

Verindrohy (trackback)

Momba ahy
hery

Ho hitanao ato ny isandroko. Angoniko ato mba hovakiako indray any aoriana any :-)

calendar
« Desambra 2023 »
At Ta Ar Ak Zo As Ah
        1 2 3
4 5 6 7 8 9 10
11 12 13 14 15 16 17
18 19 20 21 22 23 24
25 26 27 28 29 30 31
Rohy
  • Blogroll
Tahiry