L'Etat de Grace

2006-09-28 @ 16:30 in Eritreritra mandalo

"L'Etat de Grace" dia Fiction iray nandeha tao amin'ny France 2 omaly alina ary mbola hitohy mandritra ny 3 herinandro. Na dia tena fiction tanteraka tokoa aza dia ahitana taratra ny zavatra mety hiainan'ireo mpanao politika na ireo efa matihanina na ireo vao miana-draharaha. Anne Consigny (Jereo eto) no mpilalao an'i Grace izay vehivavy voalohany voafidy ho filohan'i Frantsa.

Tahaka ny filoham-pirenena rehetra dia be mpankahala izy, indrindra moa fa vehivavy. Na avy any ivelany (ireo mpanohitra izay tsy lany tamin'ny fifidianana) na avy ao anatiny (ny praiminisitra) dia totoafo ny tsikera sy ny fanakiviana. Nisesisesy ny polemika. Voatery naseho masoandro ilay mpampianatra golf taloha izay lasa niaraka taminy. Bevohoka tampoka koa izy... na dia efa tsy nanantena an'izany intsony aza. Vao mainka nampitombo ny korontana izany... dia eo indrindra isika izao.


Gaga aho fa efa malaza be ilay film. Misy blaogy manokana ho azy ato
Tsy hoe tsy fitiavana vehivavy fa hita ihany ny mahavehivavy an'i Grace eo amin'ny fitondrana. Mitomany rehefa misy zavatra manahirana, sentimental kokoa, entim-po, matin-kambo.
Na dia tsy mivantana aza dia mety hisy fiantraikany (tsara sa ratsy?) amin'ny firotsahan'i Segolène Royale eo amin'ny fifidianana ho filohan'ny Repoblika frantsay io tantara io.
Ho an'izay te hijery ny tohiny dia amin'ny alarobia izao sy amin'ny alarobia heriny, samy amin'ny 20h50.

Verindrohy (trackback)

Momba ahy
hery

Ho hitanao ato ny isandroko. Angoniko ato mba hovakiako indray any aoriana any :-)

calendar
« Novambra 2023 »
At Ta Ar Ak Zo As Ah
    1 2 3 4 5
6 7 8 9 10 11 12
13 14 15 16 17 18 19
20 21 22 23 24 25 26
27 28 29 30      
Rohy
  • Blogroll
Tahiry