Blaogin'i Soanja

2006-11-01 @ 23:35 in Eritreritra mandalo

Somary gaga ihany aho amin'ny toe-javatra izay mitranga ao amin'ny blaogin'i Soanja amin'izao fotoana izao. Fantatro aloha fa blaogy mitantara ny tantaram-piainany ny an'i Soanja, mety hisy fiainan'olona hafa voasingotra, kanefa betsaka ny tantara izay nalaina tamin'ny tantara marina toa izany no mivoaka etsy sy eroa izay tsy voatery nakàna fahazoan-dalana tamin'ireo fiainan'olona mety ho voateny ao anatiny... indrindra raha lazaina fa efa novaina ny anarana rehetra.
Koa mampametra-panontaniana ihany hoe mbola tsy zakan'ny Malagasy tokoa ve ny fiainana toa izany? Tsy mbola ao anaty toe-tsain'ny Malagasy ve izany? Toa hitako hoe fihatsaram-belantsihy ihany ny filazana fa tsy zakan'ny Malagasy izany satria anisan'ny olona mifosa tokoa ny Malagasy... na dia tsy ataony imaso imaso aza izany matetika. Ary ahoana ny momba ny hoe "Basy atifi-kavana ka arangaranga?". Izaho koa ohatra dia anisan'ny victime amin'ny fanatsikafonana fiainana manokana tamin'ny internet taloha... ary Malagasy no nahavita izany. Koa rehefa ny ianao ve no sendra ahiahiana ho voateny (par allusion) ao amin'ny tantaram-piainan'olona dia hiteny hoe tsy toe-tsaina malagasy izany?
Eny e, tsy hoe ifaninana akory izany fa angamba efa tonga amin'ny fotoanan'ny fanajana ny fahafahana hiteny isika izao (liberté d'expression)... mazava ho azy, raha toa ka manaja ny fahafahan'ny hafa.

Verindrohy (trackback)

Momba ahy
hery

Ho hitanao ato ny isandroko. Angoniko ato mba hovakiako indray any aoriana any :-)

calendar
« Desambra 2023 »
At Ta Ar Ak Zo As Ah
        1 2 3
4 5 6 7 8 9 10
11 12 13 14 15 16 17
18 19 20 21 22 23 24
25 26 27 28 29 30 31
Rohy
  • Blogroll
Tahiry