Vaovao ny taona... ny inona koa?

2007-01-02 @ 10:59 in Vaovao, Izaho sy ny ahy

Vaovao izany ny taona. Dia ny inona koa? Tsy  mbola tafatombona tsara angamba aho dia tsy mbola hitako izay tena tokony havaozina... fa inoako fa misy vitsivitsy tokony hohatsaraina. Holazaina miandalana eo ihany.

Na izany na tsy izany dia nahafinaritra ny fety teto Roma. Naniry ny ho any Nice tamin'ilay réveillon nihaonan'ny namana serasera vitsivitsy aho saingy tsy tafa noho ny adidy isankarazany nandraikitra teto Roma. Dia ny teto no noezahina natao araka ny tokony ho izy. Nilamina sy nahafinaritra na dia somary nanahy ihany aza izahay ny amin'izay ho fivoakany. Nisy olana mantsy teo amin'ny resaka fikarakarana satria dia nisy niady mafy mihitsy ny handoavan'ny olona 5 Euros. Fa izahay kosa niady mafy hoe aleo tsy asiana fidirana izany. Dia tapaka tamin'ny farany fa tsy hasiana fidirana izany fa rehefa ao anatiny ao ny Ambassadeur dia hiteny hoe misy boatin-drakitra io ho an'izay mbola hanampy... dia izay no nitranga.

Tsy tonga ry zalahy naniry hampandoa 5 euros... angamba hitany hoe tsy hisy vola ho azy intsony dia aleo tsy tonga. Mba olona toa inona loatra ary izany...

Dia efa notantaraiko ao amin'ny malagasy.it daholo aloha ny momba ny fety amin'ny ankapobeny. Ny fanampiny fotsiny angamba dia hitako hoe faly ny olona. Feno ara-tsakafo ihany koa. Be dia be ny ambin'ny sakafo sy ny boisson satria samy nitondra mihoatra ny tokony ho anjarany. Izany ny Gasy rehefa tena manao fety... fa tsy kafiriana daholo izao sy izao.

Ok... izay aloha ny fety fa dia miatrika asa indray izao. Mbola misy zavatra maromaro tokony havaozina tsy vita ny nanavao azy. Dia atao tsikelikely eo.  

Verindrohy (trackback)

Momba ahy
hery

Ho hitanao ato ny isandroko. Angoniko ato mba hovakiako indray any aoriana any :-)

calendar
« Desambra 2023 »
At Ta Ar Ak Zo As Ah
        1 2 3
4 5 6 7 8 9 10
11 12 13 14 15 16 17
18 19 20 21 22 23 24
25 26 27 28 29 30 31
Rohy
  • Blogroll
Tahiry