26 jiona-nay

2007-06-26 @ 07:21 in Izaho sy ny ahy

Omaly aho tamin'ny niresaka tamin'ny zandriko vavy dia nilazany hoe hanao harendrina ry zareo ny hariva. Dia tadidiko ny zavatra rehetra fanaonay rehefa 26 jiona izay inoako fa tsy dia niainan'ny olona sasany loatra. Tamin'izany fotoana izany, vao manomboka kely fotsiny ny volana jiona dia efa manomboka ny tsipoapoaka etsy sy eroa. Hitanao amidy eny rehetra eny ilay karazana dinamita kely misy lahiny hatramin'ny kely indrindra eo amin'ny 5cm eo izay amidy 20 ariary ka hatramin'ny lehibe tahaka ny labozia izay tsy haiko ny vidiny fa tsy mbola nividy aho.Ankoatry ny tsipoapoaka dia manomboka feno fanilo (harendrina no hahalalan'ny maro azy) koa teny Analakely. Tamin'izany dia mbola tsena be mihitsy iny manoloana ny arcade iny (manoloana ny Vetmad). Misy karazany maro ny harendrina ary isantaona dia misy modely vaovao foana. Ny anay moa dia ilay karazana accordéon ireny. Ny harendrina dia natao indrindra ho an'ny zazakely sy ny vehivavy, fa ny lehilahy dia mitondra jiro kapoaka. Io indray dia kapoaka no tapahina roa dia asiana labozia ao anatiny ary fantsihana amin'ny hazo. Dia tahaka ireny mba mitondra moto ireny.

Fa misy ihany koa ny tsipoapoaka "fait maison" izay izahay ihany no manamboatra azy. Ny tena mipoaka tsara dia ilay amboarina amin'ny "vy poakaty". Nifampitadiavana mihitsy ny vy poakaty rehefa atomotra ny 26 jiona. Ao anaty vy poakaty no asiana ny vanja dia atontona amin'ny tany. Mirefotra tsara mihitsy. Misy ihany koa ny manapoaka "bougies" izay alaina amin'ny moteran'ny tomobil. Esorina ny atin'ny "bougie" dia ao no asiana vanja izay terena amin'ny bilao avy eto ambony. Azo atsipy ity tsipoapoaka iray ity ka rehefa mitontona iny izy no mipoaka. Ny olana amin'io anefa dia amin'ny alina ny harendrina ka mety ho very izy raha atsipy. Dia nisy indray ny nampiasa bougies ihany saingy natontona. Mazava ho azy fa misy foana ny risika amin'izany satria mety handratra ilay izy.

 

 

 

Rehefa manomboka amin'izay ny harendrina dia miezaka mifanatona dia mandeha miaraka. Ny lehilahy sy ny jirokapoaka no mitari-dalana matetika. Mihodina ny tanàna, mahavita lalana lavidavitra mihitsy sady miantsoantso hoe "Harendrina taratasy, may, may, may! Izay tsy faly manao aminay"... dia taty aoriana moa nisy nanampy hoe "Ratsiraka ihany no anay"... dia niova indray taty aoriana hoe "Ratsiraka miala amin'izay". Mandritra an'iny filaharana iny dia tsy vitsy ny migafy. Miezaka mandoro ny harendrin'ny sasany. Misy mitady hevitra mihitsy mitondra lasantsy ao anaty piqure... Zary responsabilité goavana mihitsy ny miaro ny fanilo tsy ho may. Rehefa vita ny filaharana dia manao afondasy. Efa misy mikarakara pneus vitsivitsy dorana dia tena milalao eo ny mpiray tanana. Mihira sy milalao. Izahay moa teo amin'ny cité efa zatra an'ireny kilalao iarahana ireny ka tsy nananosarotra ny animations. Rehefa mifaramparana dia samy mody amin'izay. Ny sasany amin'iny no misintona ilay vy ao anaty pneus nodorana mba hatao kilalao... piste. 

Ny ampitson'iny dia mifoha vao maraina be izahay ho eny Mahamasina. Nahagaga tokoa fa isantaona dia tonga eny Mahamasina foana hijery matson'ny tafika. Angamba noho i papa miaramila dia nahafaly anay ny nijery an'izany na dia hoe tsy mandray anjara foana aza izy. Raha vao tara amin'ny fahatongavana eny Mahamasina dia tsy tafiditra intsony satria feno ny toerana. Dia lany eny ny maraina manontolo.

Ny atoandro dia matetika gisa foana no laoka. Ary tsy izahay irery fa toa ny ankamaroan'ny olona eo amin'ny cité mihitsy. Vao andro vitsivitsy aorian'ny Paka dia manomboka miompy gisa tsirairay ny fianakaviana hokarakaraina amin'ny 26. Dia aorian'ny paka dia zara raha misy roa na telo sisa ny "gisa sisa nanamborana". Ny fahandro ny gisa tamin'izany dia ampiarahina amin'ny henankisoa dia toa misy poirreaux ihany koa. Indraindray asiana petits pois. Fa dia matavy tokoa aloha. Matetika no tonga miakatra ao Antananarivo ny avy any ambanivohitra amin'io ka dia ao aminay no miara-misakafo.

Ny tolakandro dia samy mody tsikelikely mamonjy ny tokantranony amin'izay.

Zava-dehibe tokoa ny fetin'ny 26 jiona eran'i Madagasikara. Rehefa nandeha any amin'ny dezaka aho taty aoriana (tany amin'ny faritra atsimo Betioky, Ejeda, Ampanihy) ka mandeha any ambanivohitra, dia ny "26 juin" no fety lehibe indrindra. Hany ka lasa hoe "hamonjy vingt-six" mihitsy raha vao handeha amin'ny fety lehibebe na dia tsy 26 juin akory aza.

Verindrohy (trackback)

Momba ahy
hery

Ho hitanao ato ny isandroko. Angoniko ato mba hovakiako indray any aoriana any :-)

calendar
« Desambra 2023 »
At Ta Ar Ak Zo As Ah
        1 2 3
4 5 6 7 8 9 10
11 12 13 14 15 16 17
18 19 20 21 22 23 24
25 26 27 28 29 30 31
Rohy
  • Blogroll
Tahiry