Ohatra blaogy

2006-03-21 @ 23:56 in Ankapobeny

Hapetrako eto tsikelikely ireo blaogy hafa tsy ato anatin'ny blaogy.com izay nahaliana ahy... arakarak'izay tratra eny miaraka amin'ny hevitro kely isaky ny blaogy.
Ny antony dia mba ahafahana mampiseho hoe inona avy no ataon'ny olona amin'ny blaogy.

  • socialistsushi.com
    Sendra hitako avy ao amin'ny infogasy.net tamin'ny namoahan'i leiry an'ilay PortaPutty. Dia tao amin'io blaoginy io ihany izy no namoaka azy. Amin'ny maha takelaka manokana ny blaogy dia azo atao tsara mihitsy izany.
    Ny blaogy koa izany dia fitaovana iray hamoahanao ny asa vitanao...
    Ankoatr'izany dia tena mivelatra be ny blaogin'i leiry. Resaka politika, sosialy, ara-pinoana, sary, fialamboly sns. Soa fianatra...
  • http://kelblog.typepad.com
    Anisan'ny mandray anjara amin'ny netvibes indray ny tompon'ity blaogy ity. Ny zavatra tantarainy ao amin'ny blaoginy dia momba ny investissement-ny. Ny asany. Misy ihany koa interview vitsivitsy izay ataony amin'ireo namany sy mpiara-miasa aminy. Hevitra koa iny interview iny.

Verindrohy (trackback)

Momba ahy
hery

Ho hitanao ato ny isandroko. Angoniko ato mba hovakiako indray any aoriana any :-)

calendar
« Desambra 2023 »
At Ta Ar Ak Zo As Ah
        1 2 3
4 5 6 7 8 9 10
11 12 13 14 15 16 17
18 19 20 21 22 23 24
25 26 27 28 29 30 31
Rohy
  • Blogroll
Tahiry