Iny delestazy iny

2007-11-26 @ 00:19 in Izaho sy ny ahy

Vao nigadona tao Madagasikara fotsiny aho tamin'iny dia iny dia efa nivonona fa tsy maintsy hisy izany fahatapahan-jiro matetitetika izany. Io no fantatry ny olona rehetra... hatramin'ny ankizy kely vao 5 taona hoe "delestazy".
Misy tokoa toerana izay tsy maintsy tapaka ora vitsivitsy ny jiro isanandro. Ny tena nahagaga ahy aza dia hoe toa nanjary niaraka tratran'ity delestazy ity ny toerana maro ao Madagasikara. Niara-simba ve ny milina? Nitombo tampoka ve ny mponina eraky ny tanàna? Resaka politika ve? Tsy hay intsony... fa ny fantatra aloha dia hatrany atsimo ka hatrany avaratra dia mizaka delestazy.

Ny delestazy lava indrindra hitako ka tsaroako naharitra dia tao Toliara an-tampon-tanàna tamin'ny alarobia 7 novambra nanomboka tamin'ny 5 sy sasany hariva ka hatramin'ny alakamisy 8 novambra tamin'ny 11 ora. Izany hoe 17 ora mahery be izao. Ny vokatra voalohany dia ny fahasahiranana satria maizina daholo ny tanàna. Tao amin'ny hotely "Le Prestige", izay nahagaga ahy hoe naninona no tsy nanana "groupe electrogène", dia nanome anay labozia hiatrehana ny alina. Nisy namana nipetraka teny amin'ny université Maninday, dia nilaza fa betsaka no tsy afaka nahandro sakafo tamin'iny alina iny. Efa tapaka isanandro ny jiro eny saingy tamin'ity indray mitoraka ity dia sady nanomboka aloha no naharitra loatra.

Ny ampitso maraina izany dia mbola tsy jiro ihany. Nitsonika ny zavatra rehetra natao tao anaty Frigo... Mafana loatra mantsy any ka tsy mahatahiry hatsiaka raha ela loatra. Tsy nety nivaingana ny "glace" amidin'ny mpivarotra izany. Nahemotra ny rendez-vous-n'ny namana iray teny amin'ny dokotera mpitsabo maso satria mila herin'aratra ny fitaovana fitiliana nampiasainy. Ary tsy haiko izay any amin'ny hopitaly any. Fifaliam-be eran'ny tanàna mihitsy nony niverina ny jiro... niverina niaina indray ny olona... indrindra ny tsy zatra. Eny e, mety efa zatra tokoa angamba ny Malagasy ka efa tsy mitaraina intsony. 

Na izany na tsy izany dia nahafinaritra ny fandalovana tany Toliara... Sary vitsivitsy mandrakitra izany. 

IMGP8284IMGP8280IMGP8279IMGP8278IMGP8277IMGP8273IMGP8271IMGP8270IMGP8257IMGP8256IMGP8254IMGP8253IMGP8252IMGP8247IMGP8237IMGP8235IMGP8234IMGP8223IMGP8218IMGP8199IMGP8176IMGP8169IMGP8168IMGP8166IMGP8165IMGP8160

Verindrohy (trackback)

Momba ahy
hery

Ho hitanao ato ny isandroko. Angoniko ato mba hovakiako indray any aoriana any :-)

calendar
« Novambra 2023 »
At Ta Ar Ak Zo As Ah
    1 2 3 4 5
6 7 8 9 10 11 12
13 14 15 16 17 18 19
20 21 22 23 24 25 26
27 28 29 30      
Rohy
  • Blogroll
Tahiry