Ariary zato am-pandriana

2008-03-07 @ 07:58 in Eritreritra mandalo

Vao alina mihitsy aho no niresaka tao an-trano ny nofinofy hoe misy olona ve sady tsy miasa nefa mandray vola fotsiny? Dia inona ny zavatra ataony? Dia androany nitranga tao amin'ny gazety Corriere della Sera ny momba an'i Yde Van Deutelkom izay bandy kely Holandezy 22 taona monja. Matory fotsiny i leiry dia mahazo vola :-)
Ny hevitra hitany dia nanokatra site anakiray http://www.sleepingrich.com/ maka sary webcam azy matory. Dia mijery azy ny olona ary mitombo tokoa ny vola voarainy amin'ny alalan'ny dokambarotra sy ny fanomezana eo amin'ilay site.

Hevitro manokana :-) Tsy ratsy ilay hevitra hitan'ilay akama. Ny olona variana mijery no tsy mahita atao :-) indrindra indrindra fa ny Italiana izay faly mihitsy amin'ity resaka Reality TV ity (mandeha mantsy izao ny Grande Fratello - Big Brother italiana).

Dia atahorako ho fopla koa ilay izy... mety enregistrement miverina ny ankamaroan'ny sary. Marina fa niteny izy hoe misy fotoana kely minitra vitsivitsy handroana sns... fa mety koa hoe minitra vitsivitsy hanoloana ny fichier hanaovana stream video. Tsy misy afaka manamarina azy tsinona. Dia ahoana koa ny fiainana hafa ankoatra ny torimaso? Misy mpamangy ve? Aiza ny sipany? Ny fianakaviany sns?

Na izany na tsy izany dia hahazo vola ihany izy satria vao 22 andro dia efa mahazo $ 8.000.

Verindrohy (trackback)

Momba ahy
hery

Ho hitanao ato ny isandroko. Angoniko ato mba hovakiako indray any aoriana any :-)

calendar
« Novambra 2023 »
At Ta Ar Ak Zo As Ah
    1 2 3 4 5
6 7 8 9 10 11 12
13 14 15 16 17 18 19
20 21 22 23 24 25 26
27 28 29 30      
Rohy
  • Blogroll
Tahiry