Maka hafanana... eto anilanao

2008-04-03 @ 09:25 in Izaho sy ny ahy

Na dia vao tsy ela aza aho no taty aminao dia indro indray tonga... Misy itiavako anao manokana mihitsy angamba. Tsy noraisinao avy hatrany tao am-ponao aho fa mbola navezivezinao aloha. Nisafosafo ny sofinao aho tamin'ny vao tonga... dia avy eo ny takolakao. Ny alina aho vao tena namandrosoinao tao am-ponao.  

Mbola hitohy ny tantarantsika fa ny hitako aloha dia mafana mafy aty aminao. Manga foana mantsy ny lanitra. Amin'ny alina aho zara raha mirako-damba. Rehefa aty aminao koa aho dia mba matory aloha... alina aho izao tamin'ny 11 ora alina dia efa natory. Ary tsy tsaroako akory hoe maraina ny andro raha tsy efa nikotaba ry zareo tao ambadika...

Aty aminao aho no mba mihaona amindry papa sy mama. Tazominao aty tsinona ry zareo. Dia rehefa te hijery azy ireo aho dia tsy maintsy mamangy anao. Haharitra elaela eto aminao aho mandrapandehako indray hila ravin'ahitra. Mbola hotantaraiko lavalava eto ihany ity fihaonantsika ity.

Eisy e ry Gasikarako... 

Verindrohy (trackback)

Momba ahy
hery

Ho hitanao ato ny isandroko. Angoniko ato mba hovakiako indray any aoriana any :-)

calendar
« Desambra 2023 »
At Ta Ar Ak Zo As Ah
        1 2 3
4 5 6 7 8 9 10
11 12 13 14 15 16 17
18 19 20 21 22 23 24
25 26 27 28 29 30 31
Rohy
  • Blogroll
Tahiry