Nahoana no mangina?

2009-03-20 @ 10:03 in Politika

Taorian'ireny hotakotaka ireny dia toa be dia be ny mangina, indrindra ny TIM. Ny solombavam-bahoakan'ny TIM, ny loholon'ny TIM, ny birao-n'ny TIM, ny radio sy télé TIM moa efa nampanginin'ny be sandry. Dia gaga ny tena hoe matahotra ve sa nialokaloka fotsiny fa tsy nanohana an-dRavalo? Ny olona tsotra aloha azo ihafiana ihany raha mangina satria toa tsy afaka mijoro ho mpanohitra intsony raha tsy te hodarohan'ny CAPSAT sy ampisotroiny maloto. Fa ireo mpanohana mavitrika koa ve dia hataotra an'izany? Fa lasa tany tsy misy lalàna intsony izany ao Madagasikara? Sa dia tena fanjakan'ny jiolahimboto tokoa? Sa dia manaiky Andry TGV 100% daholo amin'izay? Mahalasa fisainana.

Ny ahiako aza dia ho hita eny Mahamasina rahampitso hihoby sy hanao bal populaire.

Verindrohy (trackback)

Momba ahy
hery

Ho hitanao ato ny isandroko. Angoniko ato mba hovakiako indray any aoriana any :-)

calendar
« Desambra 2023 »
At Ta Ar Ak Zo As Ah
        1 2 3
4 5 6 7 8 9 10
11 12 13 14 15 16 17
18 19 20 21 22 23 24
25 26 27 28 29 30 31
Rohy
  • Blogroll
Tahiry