Inona no idiran'i Kotity amin'izany?

2009-11-18 @ 04:46 in Politika

Efa henonareo ve io fomba fiteny io? "Inona no idiran'i Kotity amin'izany?" Matetika rehefa miresaka miaraka iny dia misy mitsatsaingoka tampoka hoe "Inona no idiran'i kotity amin'izany?"... tsy nisy resaka Kotity mihitsy teo ary tsy misy idiran'ilay fanontaniana akory. Ny niandohany angamba dia satria angamba mafy loatra tamin'ny olona ny nataon'i Kotity ka dia nafatratra tany amin'i Kotity daholo ny zava-nitranga rehetra teo amin'ny fiainany. Na dia ny akoho matin'ny barika aza dia i Kotity no omena tsiny. Taty aoriana moa dia navoakan'i Andry Rajoelina avy any Tsiafahy i Kotity satria resy lahatra izy fa tsy namono olona izany ilay rangaha io fa gadra politika fotsiny.

Fa tsy any no resaka, fomba fiteny fotsiny iny. Fa gaga ihany aho amin'ny ataon'ireto miaramila ao amintsika mbola miditra lalina amin'ny resaka politika. Averiko ihany fa manana zo hanana ny fireha-keviny avokoa ny olom-pirenena tsirairay na miaramila na tsia, zo tsy azo lavina. Fa hafahafa kosa raha toa ka ny miaramila no mampiseho sy milaza izany firehan-kevita politika izany am-pahibemaso sy an-gazety mihitsy. Midika ho fanaovana politika sahady izany amiko ka tsy afaka hiaro vahoaka intsony satria tsy hatokisan'ny vahoaka intsony. Ny vahoaka mantsy, na tiana na tsy tiana dia tsy maintsy hisy mitovy firehan-kevitra aminy na mifanohitra aminy. Dia ny mitovy firehan-kevitra aminy izany harovany fa ny mifanohitra aminy hogadrainy? Satria azy ny fahefana? Izay no mahatonga ny miaramila tsy tokony hanao politika.

Amin'izao dia manao antso avo indray i Cdt Charles sy i Cdt Lilyson samy Kolonely fa ataoko hoe Cdt ihany fa io no hahafantaran'ny maro azy. Mibaiko - eny, rehefa ny miaramila no manome hevitra dia mibaiko izay - ireo mouvances hafa mba tsy hitaky ny ministères de souveraineté fa an-dRajoelina io. Dia raha toa izany tsy manaraka an'izay teny izay ireo mouvances ireo dia ahoana? Hosamborina? Hogadraina? Hampisotroina? Hotifirina? Izay no mahatonga ny miaramila tsy tokony hanao politika.

Inona no idiran'i Kotity amin'izany?

Verindrohy (trackback)

Momba ahy
hery

Ho hitanao ato ny isandroko. Angoniko ato mba hovakiako indray any aoriana any :-)

calendar
« Desambra 2023 »
At Ta Ar Ak Zo As Ah
        1 2 3
4 5 6 7 8 9 10
11 12 13 14 15 16 17
18 19 20 21 22 23 24
25 26 27 28 29 30 31
Rohy
  • Blogroll
Tahiry