Facebook ato am-piasana, tsy tafa ny sakana

2010-08-31 @ 07:07 in Izaho sy ny ahy

Fantatrareo ihany moa fa efa am-bolana maro aho izay no tsy mampiasa facebook. Tamin'ny volana febroary tany ho any dia resiko lahatra koa ny tato am-piasana hisakanana ny facebook ato am-piasana. Nojerena mantsy ny statistika tao amin'ny routers ka ny 80%-n'ny sites mandalo ao dia facebook daholo. Ary ny fotoana ampiasana ilay facebook dia amin'ny fotoana fiasàna ny ankamaroany. Dia nasaina nojereko ary ny fomba hisakanana amin'ny fomba mihaja :-) ny facebook ato am-pisana. Pfsense no firewall napetrako ato amin'ny boite-nay handrindràna ny reseau ka misy fomba tsara nisakanana ny facebook. Tamin'izay fotoana izay dia nalefa tamin'ny page d'erreur fopla izay rehetra miditra facebook. Tsy fantatra amin'izay fotoana izay hoe ny ato am-piasana no misakana fa ohatry ny hoe tsy mandeha ny facebook. Fantatry ny ankizy ihany aloha hoe mandeha tsara ny facebook fa ny noheveriny dia hoe vokatry ny configurations-n'ny reseau ato am-piasana dia tsisy tafiditra facebook ry zareo.

Nandritra ny volana vitsivitsy dia nidina be mila ho 0 ny fampiasana facebook. Misy tafiditra ihany anefa, postes iray na roa ka tsy dia nivakiako loha.

Afak'omaly ary dia nasain'ny lehibe vaovao hanokatra facebook ho an'ny boite-nay aho. Hampahafantarana ny zava-misy sns. Mazava ho azy fa izaho tsy bloké. Dia nanokatra aho aloha dia avy eo nijery tsikelikely ireo olona hasaina ho namana. Teo aho vao gaga fa tafiditra facebook tsara amin'ny andro fiasana daholo ry zareo ato am-piasana. Misy ny sasany vao vetivety talohan'ny nanokafako no mametraka hafatra sns eo amin'ny mombamomba azy. Tonga saina aho hoe ary nahita hirika izany ry zalahy fa tsy miteniteny :-) Nanandrana niova poste aho dia niditra facebook fa mbola bloké tsara. Dia inona ary hoy aho ny fikany. Dia voatery aho niresaka tamin'ilay sipa tatsy ambony mody niteny hoe nasaina nanokatra compte facebook ho an'ny ato am-piasana ho'a zah kanefa toa bloké (sady manao an'le fiteny mody fanina be). Tonga dia nanazava be ilay sipa hoe "Toa ohatran'ny tsy eken'ny facebook hono ny réseau-ntsika fa angamba tsy sécurisé, hoy i anona... . Ka raha te hampiasa facebook ianao dia miditra amin'ny connexion sécurisée, izany hoe mampiasa https fa tsy http fotsiny rehefa miditra. Izany hoe https://facebook.com". Hay ve, hoy aho sady nisaotra. Nidina taty ambany dia nojerena fa tafiditra tokoa ny https. Dia nojerena fa hay tsy vosakan'ilay firewall ny https (grrr). 

Dia inona moa izany fa tsy nisy vokany ilay fisakanana ny facebook tato am-piasana. Raha te hisakana facebook izany dia aleo ny mpiasa no tenenina mba hahafehy tena fa toa tsy misy fomba hafa.

[Raha mba fantatr'ilay sipa ao ambony mantsy lolll]

Verindrohy (trackback)

Momba ahy
hery

Ho hitanao ato ny isandroko. Angoniko ato mba hovakiako indray any aoriana any :-)

calendar
« Desambra 2023 »
At Ta Ar Ak Zo As Ah
        1 2 3
4 5 6 7 8 9 10
11 12 13 14 15 16 17
18 19 20 21 22 23 24
25 26 27 28 29 30 31
Rohy
  • Blogroll
Tahiry