Fampidirana sary Facebook

2011-03-18 @ 15:43 in Serasera.org

Noezahina nahitsy sy nandramana omaly sy androany ilay fampidirana sary avy ao amin'ny Facebook mankao amin'ny namana.serasera.org dia hita fa efa mandeha. Izany hoe na omaly aza izy dia efa nety fa miadana be fotsiny ilay dingana lalovana. Noezahina notsotsorina izany dingana izany ka mba efa segondra vitsivitsy sisa dia miseho ny sary.

Facebook Sary

 

Nanomboka omaly mantsy dia misy fomba fampidirana ny sary avy any amin'ny Facebook mandeha ao amin'ny site Namana.serasera.org. Miditra ao amin'ny fampidirana sary, dia fidina ilay bokotra Facebook (Na miditra mivantana eto). Rehefa avy eo dia hiseho eo daholo ny lisitry ny tahirintsary any amin'ny Facebook. Azonao idirana ny tahirintsary dia misy ny lisitry ny sary ao. Dia azo fidina izay hampidirina sy ny tahirintsary serasera hasiana azy.

Amin'izao fotoana izao dia sary iray isaky ny mamindra no azo atao. Efa nandramako afaka mamindra maromaro fa ela be vao azo ny sary, indraindray tena miadana be ilay misikotra sary ao amin'ny Facebook. Misy teknika vaovao vao navoakandry zareo nefa androany dia andramako hampiasaina ka mety hisy fivoarany izany io.

Mba andramo hoe raha mety? :-)

Verindrohy (trackback)

Momba ahy
hery

Ho hitanao ato ny isandroko. Angoniko ato mba hovakiako indray any aoriana any :-)

calendar
« Novambra 2023 »
At Ta Ar Ak Zo As Ah
    1 2 3 4 5
6 7 8 9 10 11 12
13 14 15 16 17 18 19
20 21 22 23 24 25 26
27 28 29 30      
Rohy
  • Blogroll
Tahiry