Picasa no fitaovana atsy ho atsy

2011-09-28 @ 22:38 in Informatika

Koa satria efa hiditra tsikelikely amin'ny fotoanan'ny Google+ isika atsy ho atsy (izaho tsy miteny hoe hiala Facebook daholo). Izany hoe samy hampiasa ny kaonty Google-ny amin'izay (Jereo eto ny momba ny Google+) koa rariny raha aseho anareo amin'ny fomba tsotra ny atao hoe Picasa izay fitaovana fandaminana sy fikirakirana ny sary vokarin'ny Google. Azo ampiasaina dieny izao ny Picasa na dia tsy mbola manana kaonty Google aza. 

Angamba efa 6 taona mahery izay no nampiasako Picasa, mbola tsy tena mampiasa Google aho tamin'izany fa nahafinaritra ahy ny fandaminany sary sy ny hafainganany mampiseho ny sary rehetra ao amin'ny ordinatera. Ny tena asa voalohany ataon'ny Picasa dia manangona ny sary rehetra ao anaty ordinatera sy mampiseho izany aminao araka ny daty.

Mandamina ny sary

alt

Voalohany indrindra ao amin'ny http://picasa.google.com/ no alaina ny picasa, dia installer-na ao amin'ny ordinatera. Ny fanontaniana apetrany voalohany dia hoe hanangona ny sary rehetra ao amin'ny ordinatera ve ny Picasa, dia ekena.Manomboka eo dia miasa mandamina ny sary rehetra hitany ao amin'ny ordinatera i Picasa ka isaky ny sokafanao izy dia asehony ny sary rehetra ao amin'ny ordinatera-nao.

Angoniny araka ny toerana (répertoire) sy ny fotoana misy azy (daty) ny sary amin'izany ka mora ho anao ny mijery hoe aiza ny sary tranainy indrindra sy ny sary taty aoriana.

Misosa dia misosa koa ny fijerena ny sary rehetra hafa (miakatra sy midina). Ary rehefa misy sary iray tiana hojerena dia tsindriana indroa fotsiny ilay sary (double click) dia misokatra.

Rehefa ao anaty ordinateranao ny picasa ka mampiditra fakantsary na disque misy sary ao amin'ny ordinatera ianao dia misy safidy iray hoe afindra amin'ny alalan'i Picasa ny sary. Rehefa iny safidy iny no raisina dia tonga dia sady afindrany ao amin'ny ordi ny sary no miseho avy hatrany ao anatin'ny picasa.

Fanitsiana, fitehirizana sy fizarana ny sary

Fanitsiana saryAnkoatra ny fandaminana sary dia ampiasaina hanitsiana sary ihany koa ny picasa, ilay antsoin'ny frantsay hoe "retouche". Rehefa sokafana ny sary iray dia misy safidy maromaro etsy ankavia.

Azo atao, ohatra, ny manapaka sary, manala ireny teboka mena amin'ny maso ireny, manova ny loko sy manisy haingo maromaro, manisy soratra eo ambony sary sns. 

Rehefa vita dia azo tehirizina avy hatrany ny fanovana izay natao. 

Eo ambanin'ny sary dia misy safidy maromaro momba ny fitehirizana sy fizarana ny sary 

alt

Azo alefa email ohatra ny sary, azo atonta an-taratasy, azo tehirizina amin'ny toerana hafa. Azo ampidirina avy hatrany amin'ny blaogy ihany koa, sns. Fa ny tena fanaoko matetika dia ilay safidy voalohany izay mampiditra ny sary amin'ny internet na koa hoe picasaweb.

Raha manana kaonty google mantsy ianao dia azo tehirizina amin'ny picasaweb ny sary ka raha sendra misy fahasimbana aza ny ordi dia tsy very ny sary fa efa voatahiry. Manana toerana 2Go ianao hametrahana azy, nefa izay sary zarainao ho hitan'ny hafa dia tsy ao anatin'izay 2Go izay. Izany hoe ny sary voakaonty ao anatin'ny 2Go dia izay sary tsy tianao ho hitan'ny rehetra. Marihina fa afaka mampiditra tahirintsary iray manontolo (Album) ao amin'ny picasaweb ianao. Izany hoe tsy sary iray fotsiny fa sary maromaro no indray ampidirina. Jereo eto ohatra ny picasaweb misy ny tahirin-tsariko. Mazava ho azy fa izay avelako ho hitan'ny rehetra ihany no hitanao ao.

Lavidavitra kokoa

Betsaka ny zavatra azo atao lalindalina kokoa amin'ny picasa fa ny zavatra iray inoako fa hanaitra anareo fotsiny, indrindra ireo mpampiasa "tag" amin'ny sary ao amin'ny facebook, dia hoe afaka manao "tag" automatique amin'ny endriky ny olona ny picasa. Izany hoe afaka mamantatra ny endrika mitovitovy amin'ny sary rehetra ao amin'ny ordinatera-nao ny picasa. Andrajaranao no mampiditra ny anarana indray mandeha dia asehony anao ny tarehy rehetra mitovy amin'iny nomena anarana iny.

Ohatra fotsiny ity ambany ity

alt

Azonao atao amin'izay ny mijery ny sary rehetra misy endrik'olona iray ao amin'ny ordinatera-nao. Ilaina io rehefa ilay maka sary olona maromaro ireny dia handefa ny sarin'ny tsirairay any aminy.

Zavatra nanaitra ahy nandritra ny nanao ity lahatsoratra ity koa dia rehefa misokatra ny picasa ka manindry ny touche "Print screen" eo amin'ny clavier aho dia tonga dia raisin'ny Picasa ny sarin'ny ecran... izany hoe manao capture mivantana ny picasa. Azonao andramana.

Videos vitsivitsy

Ireto misy videos vitsivitsy izay notsongaiko mety hahaliana anao mikasika ny picasa.

Fitehirizana sy fandefasana sary amin'ny email sy picasaweb

Ity ambany ity dia video amin'ny teny frantsay kanadiana :-p izay manazava ny fanaovana collage (mosaIque) amin'ny fomba tsotra.

Verindrohy (trackback)

Momba ahy
hery

Ho hitanao ato ny isandroko. Angoniko ato mba hovakiako indray any aoriana any :-)

calendar
« Desambra 2023 »
At Ta Ar Ak Zo As Ah
        1 2 3
4 5 6 7 8 9 10
11 12 13 14 15 16 17
18 19 20 21 22 23 24
25 26 27 28 29 30 31
Rohy
  • Blogroll
Tahiry