Miantso an'i Prof. Ranjeva Raymond hilatsaka hofidina filoham-pirenena

2011-10-19 @ 06:19 in Politika

Ho avy (ihany) ny fifidianana, tsy maintsy ho avy na dia mbola tsy fantatra aza hoe rahoviana. Ny olona mety mbola hilatsaka hofidina sy hanana salanisa ho lany aloha hatreto dia i Ravalo sy Rajoelina. Ny voalohany moa mety ho lany vokatry ny fahatsiarovana ny asa vitany sy vokatry ny tsy fitiavan'ny olona ny HAT, ilay faharoa dia mety ho lany vokatry ny hala-bato sy ny sangodim-panina ao anatiny ao, kandidam-panjakana tsinona.

alt

Hatramin'izao izany dia ireo no safidy. Samy manana olana goavana anefa ireo raha mbola hitondra.

Ravalo aloha, na dia hiezaka hanitsy ny fomba fitondrana aza vokatry ny fanonganana nanjo azy, dia hanana olana goavana vaovao. Hifantoka voalohany amin'ny valifaty izy na ireo manodidina azy. Mety ho voafono ao anatin'ny hoe fanenjehana ny fahavalom-pirenena izany, na koa fanenjehana ireo nanodinkodina fananam-panjakana nandritra ny tetezamita. Dia ho sarona ao anatin'izay indray ny mety ho fiaraha-mientana hampandroso ny ekonomia, satria ny olona vonona hiara-mientana sisa no afaka hampandroso haingana ny toekaren'i Madagasikara. Ny ho olan-dRavalo faharoa koa dia ny fiverenan'ny fanamparam-pahefana ataony na ataon'ny manodidina azy. Mety hahazo rariny aza izy amin'izany satria voafidy sy lanim-bahoaka. Ary fahatelo dia ho sarotra be ny hanala an-dRavalo eo amin'ny fitondrana raha izy no tafaverina eo. Tsy maintsy hifikitra eo izy ka tsy hisy fifandimbiasana indray ao anatin'ny 15 taona ho avy.

Ny momba an-dRajoelina indray, raha sanatria izy no ho lany, dia vao mainka koa ho maro ny olana. Voalohany aloha dia tetezamita mitohy io. Izany hoe ireo rehetra mahazo toerana amin'izao tetezamita izao (bodo sy adala) dia hitaky toerana ihany koa na dia tsy haninon-tsy haninona aza. Samy hilaza fa hoe izy no nahatonga an-dRajoelina eo amin'ny toerany ka mila valimbabena. Ho olana faharoa ho an-dRajoelina ihany koa ny hitantana ny resaka tafika. Ny tafika no nahatonga an-dRajoelina teo amin'ny fitondrana ka tsy afaka hanana fahaleovan-tena amin'ny tafika mihitsy izy fa fantany fa raha vao mitsipaka ny tafika izy dia mety hofaizin'izy ireo. Hanana rariny rahateo ny tafika satria tsy anisan'ny nanameloka ny tafika tamin'ny naka fitondrana izy fa namporisika. Ny olana fahatelo dia ny hajan'i Madagasikara eo amin'ny fifandraisana iraisam-pirenena. Ho resy lahatra avokoa ny rehetra fa hala-bato no nahalany an-dRajoelina ka na dia hisy aza ny "reconnaissance" dia an-taratasy no ho betsaka fa sarotra ho an'ny olona mihitsy ny hanampy mpanongam-panjakana. Fahaefatra dia ny momba ny fitantanana ny harena ankibon'ny tany. Tetezamita aza moa jereo ity ataony vao mainka filoham-pirenena? Ny "bois de roses" sy ny sisa dia ho jifa. Fahadimy dia sarotra koa ny hanala azy eo amin'ny fitondrana. Ary vao maika loza satria mbola tanora izy ka ho ela vao ho antitra. Fahaenina... Fahafito... (maro loatra)

Koa ireo olana ireo no mahatonga ny lohatenin'ity lahatsoratra ity hoe "Miantso an-dRanjeva Raymond hilatsaka hofidina". Izy no olona hitako mendrika ilay hoe "troisième homme". Sahy nijoro tamin'ny hevitra vaovao izy "Vonjy aina" na dia mbola nikorontana aza i Madagasikara teo anelanelan'ny mpomba an-dRajoelina sy ny mpomba an-dRavalo. Olona fantatra eo amin'ny sehatra iraisam-pirenena izy ka ho mora kokoa ny hiverenan'ny fifandraisan'i Madagasikara amin'ireo vondrona iraisam-pirenena isan-tsokajiny. Azo heverina fa tsy hijanona maharitra eo amin'ny fitondrana izy fa hanao izay hanarenana an'i Madagasikara fotsiny. Olona mety ho afaka hampivondrona ny Malagasy ihany koa izy, dia ny mpomba an-dRavalo sy ny mpomba ny tetezamita. Ary mba tsy hisy resaka hoe DJ na mpivaro-dronono intsony rehefa miresaka filohan'i Madagasikara. Tsy hisy anefa izany raha tsy izy mihitsy no milatsaka... koa averiko ny antso hoe "Professeur Ranjeva, raiso ny andraikitrao fa mila anao i Madagasikara"

Takelak'i Ranjeva http://www.ryranjeva.org/

Raymond Ranjefa ao amin'ny Wikipedia http://en.wikipedia.org/wiki/Raymond_Ranjeva

 

Verindrohy (trackback)

Momba ahy
hery

Ho hitanao ato ny isandroko. Angoniko ato mba hovakiako indray any aoriana any :-)

calendar
« Desambra 2023 »
At Ta Ar Ak Zo As Ah
        1 2 3
4 5 6 7 8 9 10
11 12 13 14 15 16 17
18 19 20 21 22 23 24
25 26 27 28 29 30 31
Rohy
  • Blogroll
Tahiry