Droits d'auteurs, baiboly, serasera

2013-04-04 @ 14:19 in Kanto, Sary

A Girl and a DogNida, Lithuania,2007

Andrej Vasilenko A Girl and a Dog
Nida, Lithuania,2007

 

Sendra namaky ny tantaran'ilay mpaka sary tsy matihanina anakiray antsoina hoe Andrej Vasilenko aho teo nalaina avy ao amin'ny "The Register". Raha fehezina ny tantara dia nisy an'io sary eo ambony io izay nalain'i Andrej Vasilenko tamin'ny taona 2007 tany no nanjary nalaza tampoka satria noheverina ho an'ilay mpaka sary malaza hoe Henri Cartier-Bresson. Nampitondrain'ny olona anarana hoe "A girl and a dog" moa ny sary tamin'izay.Tamin'ny voalohany dia nahafaly an'i Andrej ihany ilay resaka satria midika fa tsara ny sary nalainy, izy rahateo tia an'i H. C. Bresson. Fa taty aoriana nanjary tsy hita intsony na ny anarany aza satria hatramin'i Google avy no rehefa mijery an'i Henri Cartier Bresson no milaza fa anisan'ny sary tsara nataony ilay "A girl and a dog". Nanomboka niteny ary i Andrej fa azy ny sary, ary voaporofo fa tamin'ny 2007 no nalainy izany hoe 3 taona taorian'ny nahafatesan'i Henri Cartier. 

Nivoatra tokoa ny resaka zon'ny mpamorona satria anisan'ny fomba nataon'ny mpanoratra na mpanao sary, izany hoe ireo artista amin'ny ankapobeny, tany aloha tany no manome ny asany ho an'olona malaza mba hahafahan'izany miparitaka araka izay azo atao. Tsy  nampaninona azy na tsy ho hita aza ny anarany satria ny tanjona dia ny hampahafantarana ilay hafatra araka izay tratra. Izany ohatra no nataon'ireo mpanoratra vitsivitsy ao amin'ny baiboly na koa tsy ao amin'ny baiboly. Ny boky dimin'i Moizy izay voaporofo fa tsy i Moizy velively akory no nanoratra azy, ny salamo sasany izay lazaina fa an'i Davida na i Salomona izay tsy izy ireo no nanoratra azy. Ary ireo boky maro, tsy tafiditra ao anaty baiboly voalaza fa nosoratan'ny apostoly izatsy na izaroa izay voaporofo fa nosoratana taty aoriana be. Ny mpanoratra an'ireny boky ireny dia tsy fantatra intsony mihitsy fa ny hany fantatra dia hoe tsy niara-niaina tamin'ilay tranga izy ka tsy mety hoe ilay mpanoratra lazainy.

Nisy nanao toa izany koa ny sary hosodoko na tononkalo taty aoriana. Taona maromaro aty aoriana vao voaporofo fa tsy ilay noheverina ho tompon'ny sary hosodoko iray no tena nanao azy fa olona nanao style mitovitovy aminy fotsiny. Amin'ny sary hosodoko toa ireny moa dia misy fitaovana siantifika azo hanamarinana ny daty sy ny style ka mbola tsy dia maninona loatra.

Fa ny ady matetika aty aoriana dia ny mifanohitra amin'izany. Amin'izao fotoana izao ny mpanoratra na artista faran'izay madinika dia miady mihitsy ny hilazàna fa izy no nanao ny sary na nanoratra ny tononkalo. Rariny izany saingy matetika dia tsy afaka manana porofo amin'izany izy ireo, indrindra raha alain'olona ilay asa kaly. Izay indrindra no idiran'ny resaka serasera amin'ity lahatsoratra ity. Misy toerana iray izay fametrahana tononkalo mantsy ao amin'ny serasera dia ny vetso.serasera.org, naverimberiko foana fa porofo iray azonao hilazana fa anao ny asa soratra, rehefa any aoriana ka sendra misy ny ady, ny takelaka toa itony. Ao mantsy, na amin'ny takelaka hafa ihany koa, dia voaporofo hoe oviana no nametrahanao ny tononkalo tao amin'ilay takelaka. Izany hoe raha tsy manana porofo mifanohitra amin'izay ilay milaza ho tompony, izany hoe tsy afaka manaporofo aratsiansa hoe talohan'ny daty nametrahanao azy tao amin'ny serasera na takelaka hafa dia efa nananany ilay tononkalo, dia tokony ho resy izy.

Isaorana manokana i Andrej Vasilenko nanome alalana manokana hametrahana io sary io tamin'ity lahatsoratra ity.

Verindrohy (trackback)

Momba ahy
hery

Ho hitanao ato ny isandroko. Angoniko ato mba hovakiako indray any aoriana any :-)

calendar
« Desambra 2023 »
At Ta Ar Ak Zo As Ah
        1 2 3
4 5 6 7 8 9 10
11 12 13 14 15 16 17
18 19 20 21 22 23 24
25 26 27 28 29 30 31
Rohy
  • Blogroll
Tahiry