Rehefa ny finoana no... "Au-delà des collines"

2013-04-08 @ 18:09 in Sarimihetsika, Finoana sy Fivavahana

Nisy tovovavy anakiroa izay notezaina tao amina kilasimandry. Tena mpinamana tokoa izy roa ary lasa mpifankatia mihitsy aza taty aoriana. Nony efa lehibebe izy ireo dia niala tao amin'ny kilasimandry i Alina ary nandeha tany Allemagne ary nahita asa. Nony elaela tany izy dia tsy nahazaka ny nitoetra irery ka niverina haka an'i Voichita, ilay namana nilaozany, hiara-miasa aminy any Allemagne ihany koa. 

Dia teo no nanomboka ilay tantara satria i Voichita izay nilaozany kay niditra nanao masera... mova tsy namitaka ilay fitiavan'izy roa fahiny. 

Izay no fiantombohan'ity horonantsary iray hoe "Au-delà des collines" (2012) ity. Fa ny fivadiky ny rasa nony avy eo no nahalasa saina. Fomba fiteny nahazatra eo aloha teo ny hoe "Minoa fotsiny ihany", teny nalaina tao amin'ny baiboly, ka toa izay koa no nibahana tao anatin'ilay film. Minoa fotsiny ihany fa aza misaina. Rehefa ny finoana nefa no tsy arahina eritreritra sy fanadihadiana dia finoana jamba ihany. 

Misy itovizany amin'izay atao any amin'ny vondrom-pivavahana sasany no niafaran'ny tantara. Olona marary dia heverina ho sitrana fotsiny amin'ny fivavahana. Marina fa efa nisy ny ezaka nataon'izy ireo nitondra ilay marary tany amin'ny hopitaly saingy tsy nisy vokany, dia nezahiny nositranina tamin'ny fifadian-kanina sy fandroahana demony. Mazava ho azy, vao maika reraka ny marary ary tsy ho sitrana.

Ny lalàn'ny fiaraha-monina ihany anefa avy eo no mihatra rehefa misy ny loza. Voaheloka tamin'ny fitazomana an-keriny olona sy famonoana olona tsy nahy ireo niezaka nitsabo... na dia ny hitsabo sy hitady izay soa ho an'ny marary aza no tanjona.

 

Verindrohy (trackback)

Momba ahy
hery

Ho hitanao ato ny isandroko. Angoniko ato mba hovakiako indray any aoriana any :-)

calendar
« Novambra 2023 »
At Ta Ar Ak Zo As Ah
    1 2 3 4 5
6 7 8 9 10 11 12
13 14 15 16 17 18 19
20 21 22 23 24 25 26
27 28 29 30      
Rohy
  • Blogroll
Tahiry