Raha tsy nisy coup d'état

2013-05-15 @ 07:55 in Politika

Alohan'ny tena resaka aloha dia hitako hoe niova ihany ny sary ofisialin'ny kandidà Lalao Ravalomanana ka tsy ilay nolazaiko tato intsony no izy fa mba ity manjamanja ity indray. Mba mendrika sy manintona kokoa. Na ny sary aza anie dia efa misy akony lehibe e, indrindra moa fa resaka biletà tokana isika izao. 

Fa avy  namaky izay nolazain'i DotMG hoe Mora manadino aho dia miray hevitra aminy (amin'alahelo) hoe maty antoka fotsiny i Madagasikara nandalo tamin'ireny fanonganam-panjakana ireny satria toa hiverina amin-dRavalomanana ihany ireto isika. Dia miverina hatrany amin'ilay resaka nataoko hatramin'izay hoe raha nahay niandry fifidianana, izay tokony ho tamin'ny 2012 na 2013, toy ny any amin'ny tany demokratika rehetra isika dia mety ho tsy tahaka izao no fizotrany. Indrindra ho an'i Rajoelina izay mety ho nanana ho avy politika namiratra satria ninoako marimarina fa raha nifanandrina tamin-dRavalo izy tamin'izay fifidianana mety ho nisy dia mety ho nahafinaritra tokoa ny zavatra niseho. Fa kanosa moa ny lehilahy na maika loatra ka naleony nanongana. Maika ny ho filohan'ny tetezamita... nefa hatramin'izao dia tsy mbola hitako nisy filohan'ny tetezamita nanana hoavy politika nahafinaritra izany. I Zafy izao no filohan'ny HAE dia iny voaongana iny. Ry Ratsirahonana tsy mety lasa filoham-pirenena sns. 

Efa nanomboka ho leo an-dRavalo mantsy ny olona tamin'ireny 2009 ireny fa niandry fifidianana fotsiny sisa. Ilay làla-manapaka (lalam-poza) tonga dia nanala azy amin-kery tsy nety satria nitondra tamin'ny tsy fanarahana ny fitsipika iraisam-pirenena ka nisakana ny fanampiana isan-karazany sy nitondra olana maro. Fa raha niandry fifidianana mety tafa satria efa nitady izay hisolo an-dRavalo amin'ny làlana ara-dalana ny olona.

Fa amin'izao tokoa dia toa tsy misy safidy fa tsy maintsy ho lany indray Lalao Ravalomanana. Ny antony, ankoatr'izay nolazain'i DotMG dia mitovy tanteraka tamin'ny andro nahalany an-dRatsiraka tamin'ny 1997. Tofoka loatra tamin'ny nanaovan-dRajoelina azy ny vahoaka ka manjary mamafa tanteraka ny hadisoana nataon-dRavalo ary hiverina aminy. Ny mampalahelo fotsiny dia misy 40 latsaka ireo kandidà hafa ka inoako fa misy amin'izy ireo mety afaka manavotra an'i Madagasikara.

Izany rehetra izany no mitranga dia noho ny hadalàna nataon'olon-tokana tamin'ny nanapahany hevitra hanongam-panjakana.

Verindrohy (trackback)

Momba ahy
hery

Ho hitanao ato ny isandroko. Angoniko ato mba hovakiako indray any aoriana any :-)

calendar
« Desambra 2023 »
At Ta Ar Ak Zo As Ah
        1 2 3
4 5 6 7 8 9 10
11 12 13 14 15 16 17
18 19 20 21 22 23 24
25 26 27 28 29 30 31
Rohy
  • Blogroll
Tahiry