Fahafinaretan'ny fitiavana

2014-03-15 @ 17:50 in Eritreritra mandalo

Eh oui (hoy ny Frantsay) - Misokatra ny fonosana - Fa ny Frantsay tokoa aloha misy fihetseham-po bebe kokoa noho ny Italiana e. Raha tsy izany koa ve moa hisy ny oroka frantsay nefa tsy misy ny oroka italiana - Mihidy ny fonosana - Sendra mba lasalasam-borona androany dia nitendritendry ilay hoe "Plaisirs d'amour" izay midika amin'ny teny malagasy hoe "Fahafinaretan'ny fitiavana". Hira frantsay izy ity izay nantsoina koa hoe "La Romance du Chevrier" (Jereo eto ny fanazavana misimisy). Kay rehefa tena dinihina ny ao anatiny dia fifanjevoana ara-pitiavana be. Koa indro hozaraiko ho an'ny tanora ankehitrio ilay hira. Marihina fa misy novain'i Nana Mouskouri kely ny tena tonony satria vehivavy izy no mihira azy. Misy fomba fitendrena tsotra azy amin'ny piano koa ery ambany.

Plaisir d'amour ne dure qu'un instant 
Chagrin d'amour dure toute la vie 
J'ai tout quitté pour l'ingrate Sylvie 
Elle me quitte et prend un autre amant 

Plaisir d'amour ne dure qu'un instant 
Chagrin d'amour dure toute la vie. 

Tant que cette eau coulera doucement 
Vers ce ruisseau qui borde la prairie 
Je t'aimerai me répétait Sylvie 
L'eau coule encore elle a changé pourtant... 

Plaisir d'amour ne dure qu'un instant 
Chagrin d'amour dure toute la vie.

--------

Raha hitendry amin'ny piano (hianatra) dia jereo ity:

Ankoatra an'i Nana Mouskouri izay nanomboka nihira azy tamin'ny 1971 dia efa betsaka no nihira azy io talohany sy taorianany. Fa izy angamba no malazalaza kokoa :-)

Merci Nana Mouskouri :-)

Verindrohy (trackback)

Momba ahy
hery

Ho hitanao ato ny isandroko. Angoniko ato mba hovakiako indray any aoriana any :-)

calendar
« Desambra 2023 »
At Ta Ar Ak Zo As Ah
        1 2 3
4 5 6 7 8 9 10
11 12 13 14 15 16 17
18 19 20 21 22 23 24
25 26 27 28 29 30 31
Rohy
  • Blogroll
Tahiry