Ilay fihaonana....

2014-09-11 @ 11:27 in Sarimihetsika

Nahafinaritra ahy ity sarimihetsika iray ity "Une rencontre" (2014) andraisan'i Sophie Marceau sy i François Cluzet anjara. Anaty fonosana, tena misy itovizana amin'i Dustin Hoffman tokoa i François Cluzet an. Tsy ho tantaraiko fa sao misy liana te hijery... fa tsy araka ny ampoizina ny farany. Ilay karazan'ny hoe maty ny "role" sns :-)

Une rencontre

Misy olona tsy tia sarimihetsika frantsay mihitsy kanefa aleoko indray sarimihetsika frantsay toa izay ry "Rajao mianakavy". Maninona tokoa ary ry Rajao raha manao sarimihetsika tsy voatery hisy miaramila, gidragidra sns e. Matetika tery vay manta be ilay "scenario" fampihomehezana. Ny tantara izay nankafizin'ny Malagasy anie dia ny tantara nandraisandry Vahandanitra sy ry Clara sy ry Solofo José anjara e. Tantara tsy be pitsopitsony e. Mety hoe misy polisy nefa tena manaintaina tokoa. Raha ireny na tahaka ireny ve no atao an-tsarimihetsika tsy hahaliana? Fa asanareo moa io dia izay ataonareo.

Misy sarimihetsika frantsay mahafinaritra. Tahaka ny mamaky boky mihitsy ianao mijery azy ary tsy vetivety dia adino ilay tantara. Dia angamba anisan'izany ity "Une rencontre" ity. 

Amin'ny lafiny teknika dia misy maromaro an'itony hoe "effets invisibles" itony ilay sarimihetsika. Izany hoe tsy dia tena voamariky ny mpijery loatra nefa tena namboarina. Anisan'izany ity sombiny nalaiko ity.

 

Raha fintinina dia nahafinaritra... ka rariny raha nahazo anjara-toerana teto amin'ny blaogiko.

Fehezan-teny anakiray nanintona ahy tao anatiny ny hoe "Ny fihaonana tena maharitra dia ilay fihaonana tsy nanomboka mihitsy" :-)

Verindrohy (trackback)

Momba ahy
hery

Ho hitanao ato ny isandroko. Angoniko ato mba hovakiako indray any aoriana any :-)

calendar
« Novambra 2023 »
At Ta Ar Ak Zo As Ah
    1 2 3 4 5
6 7 8 9 10 11 12
13 14 15 16 17 18 19
20 21 22 23 24 25 26
27 28 29 30      
Rohy
  • Blogroll
Tahiry