Nahita portefeuille :-)

2015-01-06 @ 19:19 in Serasera.org

Noho ny antony mazava loatra dia tsy tena sarin'ny zavatra hita no hapetraka eto amin'ity resaka ity. Fotoanan'ny krizy lahatsoratra koa izao (vakansy sns) koa dia itony tantara itony no tantaraina :-)

Avy niara-nivavaka sy nifampiarahaba tratry ny taona tamin'ny namana protestanta izahay ny alahady hariva (rehefa avy nahavita ny anjaran'ny Katolika ny maraina), dia alohan'ny hidirana tao anaty fiara dia nahita poketra (portefeuille) teo amin'ny tany. Nalaina dia nisy cartes de credit maro be tao anatiny (10, eny 10) ary nisy taratasy famelàna hitondra fiara sy taratasy madinika maromaro. Olona avy any Irlande no tompony. Nisalasala hoe inona ho hatao. Dia nanapa-kevitra hoe aleo entina aloha dia hita eo izay hatao satria mampalahelo izay ilay olona tompon'io. Ny andro amin'io alahady... sady efa maizina. Kamo be ny tena handeha any amin'ny polisy avy hatrany. Nony tonga tao an-trano dia notadiavina tamin'ny facebook ilay anarana. Indrisy fa maro be loatra :-). Dia notadiavina tamin'ny google indray ny anarany sy ny adiresiny izay hita tamin'ilay Taratasy fahazoan-dalana hamily fiarakodia (lava be koa ny dikan'ny hoe permis de conduire na driving license). Teo vao hita ny toeram-piasany fa hay mpitsabo ilay ranamana. Dia izay vao niverenana ny tao amin'ny Facebook hitadiavana izay mpitsabo amin'ireo olona mitovy anarana maro be aminy. Nisy vitsivitsy hita, toa samy mpitsabo izy mianakavy :-) saingy hita hoe tsy mpiditra facebook hatry ny ela.

Nony ela dia nanapa-kevitra ihany hijery ny taratasy madinika hafa tao anatin'ilay poketra. Teo vao tonga saina fa hay nisy carte de visite tao anatiny, nisy ny laharan'ny antso antaroby. Tsy fantatro na finday na tsia fa dia nandefasako hafatra maika. Dia nilamindamina ny saina nandeha natory.

Ny ampitso dia nahazo valin'ilay hafatra maika (sms)... nilaza fa nisy nangalatra tokoa ilay poketra (fa tsy latsaka) koa raha azo atao dia afaka mihaona izahay. Niantso mihitsy ilay ranamana hoe hihaona ny ampitso. Ilay ampitso lazainy amin'io andro tsy fiasàna aty aminay ary izaho koa tratran'ny gripa tampoka. Nolazaiko hoe rahafak'ampitso aho miakatra miasa dia afaka mihaona. Saingy rehefa avy eo aho nahazo valin'ilay hafatra nalefa tao amin'ny facebook hoe hiainga ny ampitso ry zareo ka raha afaka mihaona dia aleo rahampitso.

Nanapa-kevitra ny hiakatra ihany aho izany ny ampitso na dia andro tsy fiasana sy mikohaka velona aza. Talohan'ny niala aho dia nandefa sms nilaza fa miala aty an-trano ka afaka 45 min eo no tonga any hihaona aminy... fa tsy nahazo valiny avy hatrany. Niezaka nandeha faran'izay mora :-) (tsy nihoatra ny 80km/h) sao hahitan-doza amin'ity gripa. Ilay mievina mitondra fiara no tena natahorako satria mivily tampoka ny fiara. Eny an-dalana dia nahazo antso, ny laharan'ilay ranamana no niseho. Dia namaly aho... kay ny polisy no miantso. Taorian'ny fanadihadiana fohy dia nilaza monsié polisy hoe atero aty amin'ny biraonay ilay izy. Eny, hoy aho. Azoko antsaina fa natahotra tampoka angamba i ranamana hoe sao dia hitakiako vola be na sahala amin'izany. Tonga tany amin'ny polisy aho dia natolotro ny poketra. Gaga hatramin'ingahy polisy hoe inona daholo ireto kara-bola be dia be ireto? Tsy mbola tena matihanina angamba ilay mpangalatra, hoy aho, ka ny vola fotsiny no nalainy fa najanony ny kara-bola. Teo aho vao nahita hoe folo marina ny isan'ny karatra... ary amin'ny anarany daholo. Raha olon-dratsy tokoa dia ampy tsara mihitsy ny manana kara-bola iray sy ny "taratasy fahazoan-dalana hamily fiarakodia" hahafahana maka vola amin'ilay kara-bola... mazava ho azy raha tsy notohanany ilay karatra. Rehefa vita ny fakàna an-tsoratra ny zavatra rehetra, izay nasaina nosoniaviko, dia nasain'ingahy polisy nandeha aho. Mazava ho azy tsy ho tafahaona izany izaho sy ilay ranamana very karatra. Tsy maninona izany fa gaga fotsiny aho hoe tena noheveriny ho ilay mpangalatra ve aho? Dia lasa aho niditra tao anaty fiara hitodi-doha hody. Vao niainga kely aho dia nahazo sms nisaotra sy nilaza hoe nisy valopy navelany ho ahy hono ao amin'ny hoteliny. Mba ho fanajana dia novaliako hoe "Tsy voatery hanao izany ianao fa angamba ny gazoaly niakatra taty fotsiny dia efa nety"... dia lasa ihany aho naka an'ilay valopy. Namaly ilay ranamana hoe "Izay mihitsy no nataoko ka..." :-) nojereko tokoa ilay valopy fa solon-tsolika no tao.

Faly aho nody fa nahavita adidy na dia jenjin'ny sery aza. Nampihomehy ahy mihitsy ny nieritreritra ilay polisy nisintaka alavidavitra nahita ahy jenjina. Tsotra koa ingahy polisy satria tsy nisy soritra teny amin'ny endriny mihitsy hoe nanana ahiahy momba ahy izy. Izy mantsy maharaka tsara fandehan'ny mpangarom-paosy eto Roma.

Vita tompoko.

Verindrohy (trackback)

Momba ahy
hery

Ho hitanao ato ny isandroko. Angoniko ato mba hovakiako indray any aoriana any :-)

calendar
« Novambra 2023 »
At Ta Ar Ak Zo As Ah
    1 2 3 4 5
6 7 8 9 10 11 12
13 14 15 16 17 18 19
20 21 22 23 24 25 26
27 28 29 30      
Rohy
  • Blogroll
Tahiry