Fitsitsiana vatoaratry ny finday

2015-06-17 @ 08:45 in Teknolojia

Tsy izaho irery angamba no tratran’ilay vatoaratra (batterie) tsy maharitra iray andro akory amin’ny finday. Na dia finday vaovao aza ka feno tsara vao maraina dia tsotsofina mihitsy vao tonga amin’ny hariva. Manahirana raha sendra tsy mitondra famahanana azy na sendra tsy misy herin’aratra ny toerana aleha.

Marina fa efa misy irony vatoaratra fanampiny irony izay atovana amin’ny finday rehefa lany iny izy ka misy ilàna azy tampoka… kanefa tokony ho vonjimaika ihany izany satria tokony haharitra farafaharatsiny mandrak’alina ny vatoaratra rehefa tena voafahana amin’ny maraina. Misy koa ireo rindrankajy izay fampitomboana ny faharetan'ny vatoaratra saingy indraindray izy ireny koa no vao maika mitroka herin'aratra.

Ireto ary misy fika vitsivitsy hitehirizana ny vatoaratry ny finday mba haharitra. Marihina aloha fa android ny findaiko kanefa inoako fa misy mifandraika amin’izay voalaza eto ihany ny amin’ny marika hafa.

Ny tena mandany vatoaratra, mazava ho azy, dia ireo rindrankajy (applications) ao anatin’ny finday. Misy aloha, voalohany indrindra, ireo rindrankajy mampiasa “internet” na tosaka “wifi”. Hitako nampitombo ny faharetan’ny herin’ny vatoaratra ny fanajanonana ny internet isaky ny tsy ampiasaiko. Misy mantsy ireo rindrankajy izay mampiasa internet foana na dia tsy jerena sy tsy ampiasaina aza.

Manaraka izany, ny rindrankajy tsy voahidy tsara dia mbola mitazona hery kely hahafahany mitahiry hoe inona no nataonao farany rehefa miverina ianao. Fomba voalohany hialana amin’ny fandanin’ireny rinjakajy ireny herin’aratra izany dia ny fanajanonana azy. Rehefa tsy ilainao intsony ny rindrankajy iray dia hidio. Ny fomba fanidy azy dia azo atao tsotra amin’ny fampiasana ny bokotra [miverina] (back na arrière) mandrampihidiny. Azo atao koa ny mijery ireo rindrankajy niasa farany dia mamafa azy ao (jereo ny sary eto ambany).


Bokotra miverina

 


Bokotra rindrankajy farany niasa

Lisitry ny rindrankajy farany

 

Misy anefa ireo rindrankajy izay mbola mandeha na dia tsy hita sy tsy ilaina mivantana aza. Mandeha any ambadiky ny rindrina (background). Anisan’izany ireo rindran-kajy izay mpanome fampatsiahivana anao. Toa ny diary, ny filazana toetr’andro, ny famataran’andro, ny mailaka sy ireo hafa mikasika ny fifandraisana (facebook, viber sns.). Misy amin’ireo rindrankajy ireo dia tsy ilainao akory mandritra ny fotoana maharitra, ary misy aza ireo izay tsy fantatrao akory ny fisiany. Eto indray dia anjaranao no mijery hoe tena ilainao tokoa ve ireo rindrankajy ireo. Koa ny vahaolana voalohany izany dia ny fanajanonana tanteraka ireo rindrankajy ireo amin’ny fotoana tsy ilàna azy. Mandeha ao amin'ny fanovana (na paramètres) dia avy eo jerena ny lisitry ny rindran-kajy rehetra. Miditra ao amin'ny lisitry ny rindrakanjy misokatra dia mahita ireo lisitra ka fidina izay rindrankajy tianao hajanona satria tsy ilaina. Rehefa avy eo dia tsindrina ny bokotra [stop] manajanona azy tanteraka. (jereo ny sary eto ambany)

 


Paramètres na fanovana

Lisitry ny rindrankajy

Rindrankajy misokatra

Fidina izay hohidina

Hidina tanteraka

 

Raha ohatra moa ka tena tsy ilainao ny rindrankajy iray dia tokony hoesorina na vonoina mihitsy. Rehefa ilaina indray izy dia ampidirina na koa velomina indray.

 

Sary nalaina tao amin’ny wikihow.com

Rohy mahaliana: http://www.howtogeek.com/165111/how-can-i-stop-apps-from-running-at-boot-on-android-os/

http://www.wikihow.com/Close-Apps-on-Android

 

 

Verindrohy (trackback)

Momba ahy
hery

Ho hitanao ato ny isandroko. Angoniko ato mba hovakiako indray any aoriana any :-)

calendar
« Novambra 2023 »
At Ta Ar Ak Zo As Ah
    1 2 3 4 5
6 7 8 9 10 11 12
13 14 15 16 17 18 19
20 21 22 23 24 25 26
27 28 29 30      
Rohy
  • Blogroll
Tahiry