Fony aho 7 taona

2016-07-01 @ 11:09 in Izaho sy ny ahy

Tsy dia tena ilay hiran’i Lukas Graham hoe “7 years” loatra na dia hoe iny ihany aza no nahatonga ny aingam-panahy hanoratra lahatsoratra eto amin’ny blaogy indray rehefa kivin’ny zava-miseho eo amin’ny facebook. Tsy nanoratra momba an’i OmGui tokoa aho, tsy niresaka fetin’ny 26 jiona, tsy nanoratra momba ny bomba mipoaka, tsy nanoratra momba ny mananasy, ny trano may tetsy sy teroa sns. Nefa taloha anisan’ny soratako ato daholo ireny :-) Fa mbola ho avy ka… mbola ho avy. Fa androany aloha.

Mbola tanora be tokoa angamba i Lukas Graham, na tsy mitovy generation amintsika (isika), satria raha marina io tantarainy amin’ny hirany io, hoe fony izy 7 taona dia nolazain’ny mamany hoe mitadiava namana sao ho tokan-tena, dia tena hafa mihitsy ny zavatra nanahirantsaina ny reniny tamin’izany. Tsy izany ny zavatra nanahirantsaina ny reninay fony izahay 7 taona.

Fony aho 7 taona dia niaina tao anaty fahadiovan’ny ankizy tanteraka. Tsy tadidiko ny ankamaroan’ny zavatra niainana, mazava ho azy, satria tsy dia nisy zavatra nanamarika ahy loatra ankoatry ny fiainan’ankizy. Namana avokoa na iza na iza, tsy nisy hoe foko avy aiza. Nisy ihany ireo ankizy nalaza hoe maditra teo amin’ny tanàna tsy dia navela nifaneraseràna loatra… saingy tsy voasakan’izany rehefa tena miara-milalao. Tadidiko ry Fifi, Vévé, ry Zozé, ry Nônô kely, tafiditra tao anatin’ny lisitra mainty, tsy tokony hifaneraserana, nefa toa namana tsara ihany tsy nisy fanavahana.

Fony aho 7 taona, toa navela nalalaka, mivoaka irery eny an-tokontany. Mino aho fa nataon’ny ray aman-dreny tazan-davitra ihany fa tsy nosemban-tsembanina kosa.

Fony aho 7 taona dia efa nahavita irakiraka mividy zavatra teo amin’ny tsenakely tsy dia lavitra. Nividy mofo maraina, nividy sigara tsindraindray.

Fony aho 7 taona, ny tena nahaliana ahy dia ny any an-tokontany, miaraka amin’ny namana. Tsy variana milalao irery na mijery fahitalavitra. Vao vita ny sakafo dia efa rifatra hivoaka. “Ho aiza? Handeha hilalao.” Hilalao fotsiny tsy misy tohiny fa rehefa any an-tokontany vao fantatra hoe hanao inona.

Fa amin’izao fotoana izao, 7 taona ny zanako, hafa be mihitsy ny fitaizana raha miohatra amin’ny anay. Miaraka aminay ny ankamaroan’ny fotoanany rehefa tsy mianatra. Rehefa milalao miaraka amin’ny ankizy ao antokotany izay mifefy sy mihidy vavahady izy dia tsy maintsy eo ny iray aminay, tsy izahay irery fa ny ray amandrenin’ny ankizy miaraka milalao aminy koa.

Na amin’ny fihaonana amin’ny malagasy hafa aza, hahitàny namana Gasy hilalaovana, dia tsy maintsy voajery isa-minitra. Voafehy, tandremana. Sao dia…

Vokany, tsy manana fahalalahana tsara intsony… dia avy eo ho tapa-kofehy rehefa votsotra. Mila torohevitra na dia efa fantatra ihany hoe inona no tokony hatao.

Famaranana: Noho ny vinavinan’ny solombavam-bahoaka handany ilay lalàna mikasika ny serasera izay ahitàna fanampenam-bava dia angamba ho resaka tahaka izao sisa no amin’ny blaogiko. Tsy hisy politika intsony, tsy hisy tsikera fitondrana na olom-pitondrana intsony. Fa tsy maninona izany. Izany no vokany rehefa te hifidy depioté tsy mahalala akory ny lalàna hofidiny. Tapitra



 

 

Verindrohy (trackback)

Momba ahy
hery

Ho hitanao ato ny isandroko. Angoniko ato mba hovakiako indray any aoriana any :-)

calendar
« Desambra 2023 »
At Ta Ar Ak Zo As Ah
        1 2 3
4 5 6 7 8 9 10
11 12 13 14 15 16 17
18 19 20 21 22 23 24
25 26 27 28 29 30 31
Rohy
  • Blogroll
Tahiry