Kapisily

2020-05-02 @ 23:46 in Tsiaro

Mandritra izao fihibohana izao, avy namita ilay tavoangin-dabiera aho dia nandefa saina nijery ity kapisily tavela teo ambony latabatra. Itony kapisily itony tokoa mantsy sarobidy mihitsy tamin’ny andronay fahiny. Indraindray efa harafesina maharitra mbola miasa ihany, vao mainka moa fa jôjôpila be. Misy ireo mahavatra mikiky ilay loko na marika ka mangirana tsara ery. Anisan’ny nanahirana ahy rehefa mikiky azy itony ilay tsy maintsy misikotra ny ambin-doko amin’ny sisiny, satria raha tsy izany dia mbola hita hoe tsy voakiky tsara. Ary matetika ny kapisily manamanan-danja dia miaraka amin’ny “bouchon”... izay no iantsoanay an’ilay saron-tavoahangy anakiray somary plastika malefaka izay mivady tsara amin’ny kapisily. Ny bouchon matetika dia sarotra hita satria matetika izy saron-tavoahangina rôma bota na fisaka.

Ny teny nampiasaina tokoa tamin’izany dia hoe “hita”, satria ny kapisily dia “tadiavina” matetika. Vitsy taminay ny misotro “fanta” na “caprice” (henoy hoe jus de fruits) andavan’andro ka tsy mora ny mahita kapisily. Fa matetika izy hita eny andalandalana eny.

Maromaro ny kilalao nampiasàna kapisily fa ireto no mba tadidiko, asa ianareo raha mahatadidy hafa.

Ny korsa kapisily

Fifaninanana “hazakazaka” kapisily izy ity. Mamaritra lalana eo an-tokotany, indraindray mahitsy, mbetika mibilioka. Misy endrika somary atao mihakely ary misy ny mandalo lavaka. Somary ampandalovina dongona koa aza indraindray. Manidina kely ny kapisily rehefa mandalo eo. Misy départ (fiaingana) dia misy arrivée (fahatongavana). Miainga eo amin’ny fiaingana ny tsirairay mifandimby mitsipindy ny kapisiliny. Tsy azo atao ny mivoaka ny làlana, raha sendra tafavoaka (sort) dia averina eo amin’ny toerana niaingany ny kapisily. Raha ohatra moa tafavoaka ny kapisily nefa avy eo tafiditra anaty lalana indray (sort miditra) dia averina eo amin’ny toerana nivoahany làlana fotsiny. Dia raikitra ny fifaninanana ka izay tonga voalohany eny amin’ny arrivée no mandresy.

Matetika misy kapisily roa na telo no ampiasain’ny tsirairay satria misy ilaina rehefa làla-mahitsy, misy mahay mitsambikina, misy mavesabesatra (misy bouchon) misosa amin’ny goudron.

Fiteny mahazatra ny hoe “maka very ligne”, izany hoe azo akisaka miankavia na miankavanana ny kapisily, arakaraka ny làlana tiana haleha saingy tsy azo aroso.

Voahaingo tsara daholo ny kapisily, mova tsy ireny fiara voahaingo ireny.

Ny zoera kapisily

Zoera no iantsoana ny lalao baolina kitra amin’ny kapisily. Avy amin’ny hoe “joueurs” mazava ho azy. Tsy ny kapisily no tena fanaovana zoera fa vatofisaka hafa mavesatra kokoa toy ny biriky parpins, vakina “carreaux”, na koa vakina masontantely (hay moa avy amin’ny tafontrano amiante ireny). Rehefa tsy manana an’ireny vatofisaka ireny dia ny kapisily no atao zoera. Mila kapsily mavesabesatra ny zoera ka matetika misy bouchon izy na koa asiana tain-dabozia. Ny maharatsy ny tain-dabozia dia tsy hita intsony ny haingony izay solon’akanjo (maillots). Mila mitovy mantsy, ary matetika nalaina avy amin’ny lokon’akanjon’ny mpilalao malaza mandeha amin’ny télé. Tsy ivalamparako ny filalaovana zoera satria mbola be mpahay. Faritana ny kianja dia mifandimby mitsipindy ny kapisiliny mba handona ny baolina izay vita amin’ny plastika nodorana. Ny tanjona dia ny hampiditra ny baolina any amin’ny haraton’ny mpifanandrina. Harato izay voaaron’ny mpiandry tsatokazo vita amin’ny boatina sardine matetika.

Ny tsipy lavaka

Lalao iray fanangonana kapisily ny tsipy lavaka. Mitovitovy amin’ny kanety izy saingy kapisily no ampiasaina. Olona roa na maromaro no mifaninana, samy manana kapisily tsirairay. Amin’ny voalohany dia miady izay voalohany hanipy ao anaty lavaka. Ka ny fomba atao dia avy eo amin’ny lavaka no manipy ny kapisily eny amin’ny ligne. Izay akaiky ligne indrindra no voalohany. Mety hisy ny “même”, izany hoe mitovy dia miverina manipy indray. Ny “sofiny” koa, izany hoe tafavoaka ny faritry ny ligne dia mamerina manipy. 

Rehefa voafaritra hoe iza no manipy voalohany dia raisiny daholo ny kapisily rehetra ka atsipiny tsirairay avy eny amin’ny ligne mankao anaty lavaka. Raha misy tafiditra avy hatrany ao anaty lavaka dia antsoina hoe an-kanina, tonga dia anazy iny. Ny kapisily sasany izay tsy mbola tafiditra kosa dia tsipindiany tsirairay mandeha ao anaty lavaka, ka izay lavitry ny lavaka no tsipindiany voalohany. Raha tafiditra ao anaty lavaka iny dia lasany koa, ary tsipindiana indray ny kapisily manaraka. Raha sendra tsy tafiditra ao anaty lavaka dia raisin’ilay mpilalao manaraka indray ny kapisily rehetra tsy mbola tafiditra anaty lavaka ka anjarany indray no manipy azy avy eny amin’ny ligne sy mampiditra azy anaty lavaka. Dia toa izany hatrany mandra-pahatapitry ny kapisily. 

Rehefa tapitra dia miverina miady ligne indray, izany hoe manipy ny kapisily eny amin’ny ligne mitady izay voalohany.

Misy fotoana izany mety ho lany daholo mihitsy ny kapisily entinao, eo ilay gorona, dia mitady indray.

Ny tifitra kapisily

Lalao fanangonana kapisily koa ity iray ity. Ny tanjona dia mitifitra ny kapisilin’ny namana ka izay voatifitra dia lasanao.

Samy mametraka ny kapisiliny mifanalavitra ny mpilalao. Tsy atao lavitra loatra koa anefa satria ela be vao afaka manafika. Mifandimby mitsipindy ny kapisiliny manatona ny an’ny mpifanandrina izay tianao hofidina. Rehefa voadonan’ny kapisily tsipindinao ny kapisilin’ny namana dia lasanao iny kapisily iny. Raha maromaro ny mpilalao dia mitohy ny fitifirana mandrapahatapitry ny kapisily. Izay vao miverina milalao daholo indray.

Dia ireo lalao ireo no tsaroako nandritra ny fijerena ity kapisily tsy maintsy hariana ity. Mbola misy lalao kapisily hafa tsy voalazako ve?

 

Verindrohy (trackback)

Momba ahy
hery

Ho hitanao ato ny isandroko. Angoniko ato mba hovakiako indray any aoriana any :-)

calendar
« Novambra 2020 »
At Ta Ar Ak Zo As Ah
            1
2 3 4 5 6 7 8
9 10 11 12 13 14 15
16 17 18 19 20 21 22
23 24 25 26 27 28 29
30            
Rohy
  • Blogroll
Tahiry