Nihoatra ny Bandwidth Radiovazogasy.com

Published on 09:40, 03/24,2006

Dépassée par son propre succès :-)

Izay no azo iantsoana ny radiovazogasy.com androany. Notsinotsinoavina loatra ny resaka bandwidth satria site kelikely ihany kinanjo tapaka rehefa niverimberina ny 800 visites isanandro.

Naka toerana hafa tampotampoka aloha hametrahana azy. Sady mijery koa ny tanjaky NFS.

Ela be vao miparitaka ny dns.

Ny mivantana aloha dia http://radiovazogasy.nfshost.com


Plugins tokony hamboarina

Published on 02:36, 03/24,2006

Misy plugins vitsivitsy eritreretiko hamboarina amin'ity blaogy.com ity fa tsy ampy ny fotoana.

Apetrako eto aloha dieny tsy adino.

  • Blogger import : izay mampiditra hafatra avy any amin'ny blogger.com. mampiasa method momba ny XMLRPC
  • Send to mail : izay mandefa amin'ny adiresy email anakiray ny hafatra alefa ao amin'ny blaogy (cf. blogger.com)
  • CSS overwrite : Izay ahafahana mametraka CSS style afaka manova na mamafa tanteraka ny CSS amin'ny template anakiray. Tsara io raha ohatra ka hanova ny sary eo amin'ny header sns... Amin'izay aho tsy voatery hi-activer an'ilay template edit izay hitako fa tsy voafehy tsara.


V per Vendetta

Published on 16:23, 03/23,2006

Nijery an'ilay Film V per Vendetta izahay androany hariva. Tsy ratsy. 

"People should not be afraid of their governments. Governments should be afraid of their people."

Tsy ratsy ilay hevitra tamin'ity Film iray ity. Raha nandresy tamin'ny Ady lehibe faharoa hono ny Alemana dia ho tahatahaka izay nasehon'ny film ny zavaniseho amin'ny taona 2025.

Misy resaka politika ambadika ihany koa ilay izy, manohitra ireo izay mpitondra matanjaka etsy sy eroa ka manambany sy manindry ny sasany. Azo jerena tsara ilay izy fa mampirisika aho.


Takelaka sy thumbshots

Published on 03:51, 03/23,2006

Nahita hevitra vaovao aho omaly nametrahana thumbshot ao amin'ny takelaka.org. Mampiasa ny WebService-n'ny blogmarks.net ilay izy.

Amin'izao fotoana izao izany, ny takelaka rehetra apetraka ao amin'ny takelaka.org dia manomboka misy thumbshots daholo. Fanampin'izany ihany koa dia tonga dia référenciés any amin'ny blogmarks.net miaraka amin'ny tag hoe takelaka (ankoatran'ny tags izay napetraky ny nampiditra azy ao amin'ny takelaka.org).

Raha maharitra io blogmarks.net io dia mety ho tsara... fa ahiako ihany sahady satria imbetsaka no ahitana olana ny serveur-ndry zalahy.

Jereo eto ohatra ny fivoakany ao amin'ny takelaka.org


Ohatra blaogy

Published on 00:56, 03/22,2006

Hapetrako eto tsikelikely ireo blaogy hafa tsy ato anatin'ny blaogy.com izay nahaliana ahy... arakarak'izay tratra eny miaraka amin'ny hevitro kely isaky ny blaogy.
Ny antony dia mba ahafahana mampiseho hoe inona avy no ataon'ny olona amin'ny blaogy.  (tohiny)


«Mialoha   1 2 3 4 5 6 7  Manaraka»