Wééé Tafiditra ao anaty fandaharampotoana ny blaogy.com

Published on 16:31, 01/31,2007

Ankoatry ny asa ato ampiasana sy ny hafa dia tafiditra ao anatin'ny zavatra tokony hokitihana amin'io volana febroary io koa ny blaogy.com. Ny fanapahan-kevitra noraisin'ny mpidinika tamin'izany (izaho sy ny feon'ny fieritreretako) dia ny hanohizana sy hanatsarana ny fikarakarana ny blaogy.com amin'izao endriny izao. 

 (tohiny)


Zavatra ilaiko maika

Published on 16:17, 01/31,2007

Misy fiteny malagasy hoe tsy ho indray azo daholo Babay sy Ilohavohitra (ho any tokoa hono ny namana dago?)... Dia eritreretiko hoe eo anelanelan'i Babay sy Ilohavohitra sy ny fandria-mafana sy ny valala manatody aho izao. Nampiana 2 ilay options amin'izay misy tsirony tsara :-) satria dia zavatra efatra tokoa no ilaiko maika kanefa tsy maintsy ny iray ihany no tsy maintsy ho azoko.

Ireto ary izy ireo :-)

 (tohiny)


Fitaovana manakely sy manamboatra sary

Published on 00:19, 01/31,2007

Anisan'ny zavatra mety mahaliana antsika angamba ity, indrindra isika izay zatra mpampiasa sary na amin'ny blaogy izany na amin'ny toeran-kafa. Indraindray mantsy sahirana tokoa fa lasa ngeza noho izay niheverana azy ny sary ka tsy omby eo amin'ny toerana tokony hametrahana azy.
 (tohiny)


Nahoana no misy blaogy.org?

Published on 14:42, 01/25,2007

Aleo hanazavako azy mihitsy :-p
 (tohiny)


Blaogy.com sa Blaogy.org? Malalaka ny safidy

Published on 13:10, 01/23,2007

Misokatra ihany koa izao ny blaogy.org izay manome antsika blaogy hafa solonanarana.blaogy.org, fitaovana hafa, fomba fiasa hafa, teknika hafa, fa ny tanjona dia iray ihany. Mba hahafahan'ny namana serasera manana toerana azy manokana... amin'ny teny malagasy (mbola lavitra ny ezaka). Miara-mivoatra ny blaogy.com sy ny blaogy.org ary safidy malalaka ho an'ny tsirairay ny hampiasa ny iray na izy roa mihitsy... ny solonanarana ihany no fototra tsy miova. Ary anjaran'ny tsirairay no mampahafantatra ny takelany.

Momba ny fanatsarana dia ezahina hiara-mivoatra izy roa ireo. Somary nomena lanja kokoa ny blaogy.org mandra-pivoakany fa amin'izao kosa dia tsy hisy ny tombo sy hala.

Dia mirary blaogy mahafinaritra :-)