Mametraha kely...

Published on 17:48, 11/28,2007

Tsy misy ifandraisany amin'io teny io mihitsy ity sary apetrako eto ity. Ny sary dia mampiseho Raozy dia izay hita teny andalana ho any Ranomafana.  (tohiny)


Iny delestazy iny

Published on 01:19, 11/26,2007

Vao nigadona tao Madagasikara fotsiny aho tamin'iny dia iny dia efa nivonona fa tsy maintsy hisy izany fahatapahan-jiro matetitetika izany. Io no fantatry ny olona rehetra... hatramin'ny ankizy kely vao 5 taona hoe "delestazy".  (tohiny)


Andraikiba... mena masoandro (nampiana)

Published on 09:45, 11/23,2007

Mamadibadika ny sary nalaina tany Madagasikara aho dia nahita hoe ity sary ity no anisan'ny tsara indrindra (ilay masoandro milentika fa tsy ny olona akory). Tao Andraikiba Antsirabe no nalaina.  (tohiny)


Any ianao izay...

Published on 11:48, 11/21,2007

Vita indray ny fandalovana kely tany Madagasikara nandritra ny iray volana. Nahafinaritra ny dia amin'ny ankapobeny. Fohy loatra mihitsy aza. Hametraka sary amin'izay izany izao :-)  (tohiny)


Mada Raid

Published on 09:17, 11/15,2007

Tonga hatrany Toliara sy Fianarantsoa ary Antsirabe (mody tanana maromaro kanefa lalana iray ihany) ny vakansy tamin'ity fotoana ity. Tena tsy afaka mampiditra sary mihitsy aho fa angamba rehefa tonga any Roma haseho ny sary mahaliana...

 (tohiny)