Ny hoavin'i Andry TGV

Published on 12:24, 01/16,2008

Talohan'ny fifidianana aho dia efa naneho ny tsy fankasitrahako ny hidiran'i Andry TGV eo amin'ny fitondrana ny tananan'Antananarivo. Tsy fankahalana manokana azy izany ary tsy fitiavana manokana ny hafa ihany koa fa fitsinjovana ny mety ho tsimbadika politika sy ny hoavin'ny tananan'Antananarivo ihany. Herinandro vitsivitsy izao no nipetrahany teo amin'ny fitondrana ny tanàna. Tsy mbola ampy hitsarana azy kanefa efa miseho sahady ny mety ho taratry ny zavatra hisy atsy ho atsy. (tohiny)


Alfa, Beta - Ancona, Bologna

Published on 11:31, 01/07,2008

Ny anarako dia anarana gasy (izay mbola tsy mahalala), koa manahirana be ny mitonona azy amin'ny telephone rehefa mangataka service na sahala amin'izany. Ho an'izay sahirana toa ahy dia ireto ny alfabeta telefonika (phonetic alphabet) izay fampiasain'ny olona rehefa manonona ny litera tsirairay amin'ny anarana.

 (tohiny)


Tetikasa Telomiova: Lasa izao

Published on 13:54, 01/05,2008

Tamin'ny volana Oktobra 2007 dia navoaka tamin'ny blaogy sy takelaka maromaro ny "Antso ho fampiroboroboana ny aterineto any Madagasikara". Niseho tao amin'ny Gazety Madagascar Tribune izany ary nifampidinihana tao amin'ny Forum serasera.org. Taorian'izay dia nisesy ny fivorian'ny mpi-blaogy vitsivitsy ny ny tao amin'ny fikambanana Namana Serasera Dago nandinihana ny mety hatao ka teraka tamin'izay ny Tetikasa Telomiova(tohiny)


Ny faran'ny taona teto Roma aloha...

Published on 14:39, 01/01,2008

Hotehirizina eto ity mba hojerena amin'ny herintaona hoe inona no nataonay teto Italia.

 (tohiny)