Jeu des septs erreurs (aka Tags)

Published on 10:23, 03/13,2008

Efa niteny moa hoe hamaly "tag" rehefa miverina ny internet ao an-trano koa dia indro ary holazaiko ny diso tsiambaratelo fito. Ity izany no valin'ny fihantsiana nataon'i ikalamako (mako tato) sy i pitou (échechiste tato) sy izay nanao daka tsy hita maso rehetra. (tohiny)


Vehivavy: Tsy zo ny manala zaza

Published on 08:36, 03/11,2008

(vokatry ny tsy fisian'ny internet ara-dalàna ao antrano dia izao ity vao lasa)

Miarahaba ny vehivavy rehetra aloha :-) ary mirary soa... mifalia sy manararaota tokoa rehefa mba omena andro iray ao anatin'ny taona. Fa amin'izao andron'ny vehivavy izao indrindra dia misy resaka mandeha mafy mihitsy eto Italia amin'ity resaka fanalan-jaza ity. Zon'ny vehivavy hono izany. Tenan'ny vehivavy io ka anjarany no mieritreritra izay hataony. Tokony ho avela malalaka tsy misy olana hono ny fanalan-jaza. Ny nahatonga ny olana mantsy dia ny nisian'ny fidiran'ny polisy, efa elaela izay, tamin'ny hopitaly iray nisy fanalan-jaza "ara-dalàna". Taorian'izay dia tonga dia nidina an-dalam-be ny vehivavy sasany nilaza fa tsy tokony hokitikitihana ny zony.

 (tohiny)


Ariary zato am-pandriana

Published on 08:58, 03/07,2008

Vao alina mihitsy aho no niresaka tao an-trano ny nofinofy hoe misy olona ve sady tsy miasa nefa mandray vola fotsiny? Dia inona ny zavatra ataony? Dia androany nitranga tao amin'ny gazety Corriere della Sera ny momba an'i Yde Van Deutelkom izay bandy kely Holandezy 22 taona monja. Matory fotsiny i leiry dia mahazo vola :-)  (tohiny)


«Mialoha   1 2