Velona indray ny takelako

Published on 17:00, 05/29,2008

Velona indray ny takelako hery.serasera.org rehefa niaraka nitsikasina tamin'ny serasera.org. Angamba mba hanana fotoana hanatsarana azy io aho amin'io été ho avy io. Io no takelaka tsy voakasika indrindra, satria ahy manokana dia tsy mahamaika foana.

Sady tsy dia misy zavatra mahaliana loatra koa ao fa nolazaiko eto fotsiny mba hampalaza azy kelikely indray. Nanjavona tao amin'ny pejy voalohan'ny google mantsy ilay izy rehefa tapaka nandritra ny andro maromaro.


Italia: Sahobakaka ambodiriana

Published on 10:48, 05/27,2008

Anisan'ny fomba fiteny malagasy ilay hoe manao sahobakaka ambodiriana (ny tohiny dia be dia be :-)). Ny sahobakaka ambodiriana dia ireny sahobakaka miezaka mitsambikina hihoatra riana ireny kanefa tsy afaka. Ny eritreritra be dia be fa ny hoza-pe no tsy maharaka. (tohiny)


Tolotra Boky sy CD Informatika

Published on 12:25, 05/20,2008

Efa volana vitsivitsy izay dia mandefa Boky sy CD any Madagasikara ny infogasy.net. Amin'izao fotoana izao dia miara-miasa mivantana amin'ny Telomiova.org ry zareo amin'izany ary nomena anarana hoe Tolotra Boky sy CD ilay hetsika.  (tohiny)


Vakiraoka daholo

Published on 17:04, 05/19,2008

Ny fotoana hanoratana ve no tsy ampy sa ny saina no mbola mikorontana? Misimisy ihany ny lahatsoratra tsy mety vitako hatramin'ny farany ato dia miangona ao amin'ny vakiraoka ao. Ho lany daty ny ankamaroany. Hojereko amin'ity herinandro ity.


Ricco ricordo

Published on 00:54, 05/17,2008