Izy no BotLives

Published on 10:26, 09/22,2008

Tsy tadidiko hoe naninona no io anarana io no nofidiana tamin'ny eritreritra voalohany hampiditra bot (na robot) tao amin'ny Karajia.org. Toa saika natao hoe BotOliva dia toa io no niafarany. Fa na izany na tsy izany dia mahafaly ny mampahafantatra anao an'i BotLives.  (tohiny)


Le Bellezze Italiane

Published on 11:44, 09/15,2008

Mbola eto Afrika? :-)

Mba naharaka hatramin'ny voalohany ka hatramin'ny farany ny Miss Italia aho tamin'ity 2008. Tamin'ny 2004 aho no naharaka farany fa ny taona hafa taorian'izay dia mijery final fotsiny sisa.  (tohiny)


Mandroso amin'ny lalina kokoa

Published on 16:40, 09/01,2008

Tsy ilay hira malaza (manjary atao @ fiandrasam-paty foana) no tiako lazaina amin'ny lohateny fa dika tsotsotra an'ilay fiteny hoe "Keep moving forward". Omaly hariva aho vao nijery an'ilay Dessin Animé (ie, mpakafy an'ireny aho) hoe "Meet the Robinsons" satria hanomboka hiasa androany fa vita ny fialantsasatra dia hoe te hihomehy kely. Rehefa fotoana tiako hanadiovana ny atidohako hanadino vetivety ny ordinatera sy ny mombamomba azy mantsy dia mijery film-njaza toa ireny aho.  (tohiny)