Iny Paka iny

Published on 20:30, 03/23,2008

Nangingina kely ity Paka ity tamin'ity taona ity. Ratsy be ny andro fa avy be loatra ny orana efa ho 3 taona izao. Lasa aloha be mihitsy mantsy ny Paka tamin'ity ka mbola misy sombintsombin'ny ririnina. Tsy nisy fiara koa tamin'iny herinandro masina iny ka tena sahirana be mihitsy. Androany aza mbola oram-be mihitsy fa soa ihany mba efa nisy fiara.  (tohiny)


Le commutateur-6 qui a tout bouleversé

Published on 16:47, 03/20,2008

(Ny lohateny fotsiny no teny frantsay) :-)

Tao amin'ny trano nahatsiarovako tena voalohany indrindra dia ambonimbony ihany ny fanapihana jiro ("interrupteurs"). Natao tsy ho takatry ny ankizy mihitsy. Mitsambikina aho izany rehefa handrehitra jiro. Dia tadidiko tsara fa rehefa handrehitra jiro dia midina ambany hatrany ilay fandrehetana azy. Moramora ho ahy kokoa izany ny mandrehitra jiro noho ny mamono.

 (tohiny)


Madagascar 2: The Great Escape

Published on 10:19, 03/16,2008

Dia hivoaka amin'ny faran'ity taona ity indray izany ny "Madagascar, The Great Escape"  (aka. Madagascar 2). Miala ao Madagasikara ry zareo amin'ity film ity ary dia mitontona indray any Afrika.  (tohiny)


Ampiasao ny Fahana RSS

Published on 09:42, 03/15,2008

Amin'izao fotoana izao dia miha-betsaka hatrany ireo takelaka mahaliana, indrindra fa takelaka malagasy sy blaogy. Tsy araka anefa, na koa tsy tadidy, ny mijery azy ireny tsirairay. Ary misy koa tsy voatery jerena isanandro satria tsy miova isanandro. Koa fomba iray hahafahana mijery ny zava-baovao amin'ireny takelaka ireny dia azo ampiasaina ilay atao hoe Fahana RSS. (tohiny)


Jeu des septs erreurs (aka Tags)

Published on 10:23, 03/13,2008

Efa niteny moa hoe hamaly "tag" rehefa miverina ny internet ao an-trano koa dia indro ary holazaiko ny diso tsiambaratelo fito. Ity izany no valin'ny fihantsiana nataon'i ikalamako (mako tato) sy i pitou (échechiste tato) sy izay nanao daka tsy hita maso rehetra. (tohiny)


«Mialoha   1 2 3 ... 6 7 8 9 10 11 12 13 14 15 16 ... 57 58 59  Manaraka»