Inona Foana Ity Perquisitions Ity?

hery 14 Janoary, 2010 09:11 Ankapobeny Rohy maharitra Verindrohy (trackback) (0)

Elaela indray izay tsy nanaovako resaka politika izay. Ka hofohazina kely sao matoritory.

Araka ireny hita tamin'ny vaovao antsary ireny dia nosavaina koa ny teny amin'ny trano fonenan'i Ravalomanana omaly. Miaramila amin'ny kamiao mihitsy no tonga teny. Tamin'ny voalohany dia saika tonga dia hiditra tsy nisy mandat, fa nony tonga ny mpisolo vava ny tompon-trano vao lasa indray aloha naka mandat... dia nolazaina hoe ao no miafina izany Radio pirate izany ka hisava.

Ny vokany moa dia tsy nisy na inona na inona (indray) tao, ary niaiky mihitsy ilay minisitra Nathalie Rabe hoe tsy nisy zavatra hita tao dia notohizany hoe ... angamba efa nalaindry zareo tamin'ilay fotoana nandehanana naka mandat (lolll) dia hoe misy lala-miafina ao ka mety nivoaka tany amin'ilay lala-miafina ny olona nitondra an'ilay emetteur.

Zavatra roa ihany no azo lazaina.

Na dia tena "donto" mihitsy ny mpitondra (mety ho izany tokoa aloha), na nisy fikafika maizimaizina tao fa mody notakonana tamin'ny hoe perquisitions.

- Tena donto ve ny HAT?

Raha tadidintsika dia tsy voalohany no misy fahadontoana (absurdité na stupidité) tahaka izao rehefa misy resaka perquisitions. Imbetsaka ny FIS no nanao perquisitions fa naheno hoe misy fitaovam-piadiana etsy na aroa (tadidy ilay teny Ivato? teny @ magazay TIKO?) Ny olona donto ihany no mino hoe raha hanao trafika-na fitaovam-piadiana dia ao amin'ny magazain'ny TIKO no hametrahana azy. Toa izany koa, ny donto ihany no mino hoe mpanohitra HAT manao radio piraty dia ao Faravohitra ao amin'ny tranon-dRavalomanana no hanaovany azy. Satria fantatra fa raha misy ny oaraoara dia ao no hosavaina voalohany. Ka mety hoe donto tokoa ve ny HAT?

- Sao dia fikafika maizina kosa?

Ny ahiahy tsy ihavanana. Raha toa ka tsy donto ary ny HAT nisava tao dia inona no mety ho antony? Sao dia mba...? Sao dia mba...? Ny krizy hono mahalava tanana (ohabolana nandritra ny fotoan'ny HAT io), ka mety hoe fomba iray handrobàna tranon'olona indray ve? Akaiky ny fifidianana, ka mety hoe fomba iray hijerena indray hoe misy osy mainty (sisa nanamborana) indray ve tao? Sa ve efa ho tapitra ny HAT ka jerena ihany sao dia tokony mamono trasy aloha mba tsy handehanana eny Tsiafahy raha sendra mivadika ny kodiarantsarety? Sa ve hoe sao niverina tsimoramora tao Ravalo? lolll

Dia tsy haiko ry zareo fa raha olona normal dia tsy tokony ho nisy akory iny perquisition iny raha toa ka ilay hoe "Hijery fa sao dia ao ilay Radio pirate" no tanjona.Saingy tsy hay intsony moa fa efa krizy izao ka rehefa tsy voa ny kibo dia voa ny saina...


Handeha Ve Ity Milina Fanasan-Damba Ity?

hery 07 Janoary, 2010 16:43 Ankapobeny Rohy maharitra Verindrohy (trackback) (0)

Rana any amin'ny toerana tsy misy rano kanefa misy jiro no ametrahana ireny milina fanasan-damba ireny dia mety handeha ve raha toa izao no atao?

Mazava ho azy, ny barika no ampiasaina atao ambony toerana, mety ho ampy ilay tosika ilaina. 


Risika Faharoa: Twitter Miteny Gasy

hery 05 Janoary, 2010 09:48 Izaho sy ny ahy Rohy maharitra Verindrohy (trackback) (0)

Anisan'ny risika goavana izay nataoko tamin'iny faramparan'ny taona lasa iny ny nanaovako veloma ny Facebook ka tsy nidirako tany intsony. Araka ny nolazaiko moa dia tsy nanenenako mihitsy iny fihetsika nataoko iny na dia tsikaritro fa betsaka aza ireo namana (lavitra sy akaiky) izay nanjary tsy hitako hifaneraserana intsony. Izay no maha fanamby azy. Nasiako hafatra rahateo any ho an'ireo izay mbola te hifandray amiko. Ny fanamby faharoa ataoko dia ny hampiasana teny Malagasy ao amin'ny Twitter. (tohiny)

Aaaah Dada

hery 03 Janoary, 2010 14:38 Izaho sy ny ahy Rohy maharitra Verindrohy (trackback) (0)

Video Firariantsoa Avy Aminay

hery 24 Desambra, 2009 22:37 Izaho sy ny ahy Rohy maharitra Verindrohy (trackback) (0)

Ity sarimihetsika kely ity no entinay telo mianaka miarahaba anao sy ny ankohonanao amin'izao fahatongavan'ny Noely 2009 izao. Efa reradreraka ihany i Aina vao vita ilay video ka somary nitomany izy amin'ny farany. Mirary soa sahady ihany koa amin'io taombaovao 2010 io. Samy hoambinin-java-manasatra, hahita ny soa sy ny mamy daholo.

Hery sy Hanta ary Aina

 


«Mialoha   1 2 3 4 5 6 7 ... 71 72 73  Manaraka»

Powered by LifeType
© 2006 - Design by Omar Romero (all rights reserved)