Ny Fotoana Italiana

hery 22 Desambra, 2009 08:57 Izaho sy ny ahy Rohy maharitra Verindrohy (trackback) (0)

Mbola resin'ny Italiana ny Malagasy raha resaka fotoana... ilay hoe fotoan-gasy. Resaka fitaterana izay hitako isanandro isanandro dia ny 80% n'ny fiaran-dalamby raisiko no tara mihoatra ny 5 minitra. Omaly ohatra dia tara 15 minitra ny fiara tokony ho nandehanako nody omaly hariva avy niasa. Dia teo ampiandrasana nivezivezy tao anaty gara tao aho no gaga tampoka nahita fa nisy fiara hafa koa tara 175 minitra be izao. Tsy naharitra aho dia naka sary mihitsy.

 

Ny tena mandreraka dia tsy mba misy mimenomenona izany mihitsy ny olona aty rehefa tara... kanefa raha himenomenona amin'ny zavatra hafa tsy dia misy dikany tahaka ny inona. Asa, mety hakamoana ny hiasa sns angamba. Nisy fotoana aza, tamin'iny vakansy lehibe iny, nandeha tany Torino izahay dia tara 45 minitra, dia nandeha nanao fitarainana sy naka remboursement, dia gaga daholo ny olona hoe azo atao kay izany. Tsy vakiny akory ny filazana ao anatin'ny tapakila hoe raha vao tara mihoatra ny 30 minitra ny fiara dia afaka mamerina ny ampahany amin'ny saran-dalana ny tomponandrikitra.


Aina Miomana Ho Amin'ny Noely

hery 20 Desambra, 2009 22:28 Izaho sy ny ahy Rohy maharitra Verindrohy (trackback) (0)

Paozy maro be an'i Aina miomankomana amin'ny fankalazana ny Noely. Nanatrika ny fety niraisan'ny Malagasy teto Italia izahay androany dia nanomana ny akanjo hoentin'i Aina. Nanendrika azy ilay dadabe noely kely :-) 

                                                                                        


Efa 10 Mahery Tsisy FB... Nefa Tsy Maninona

hery 16 Desambra, 2009 16:11 Serasera.org Rohy maharitra Verindrohy (trackback) (0)

Folo andro mahery aho izay no nanao veloma ny FB (FB sisa no iantsoako an'io loll). Nisy ihany ny namako gaga sy nalahelo :-)... ahoana koa hono izany hoe mafana fo be izany dia avy eo tonga dia miaps'. Ny sasany tsy mino, tsy vitako hono izany. Ny sasany niahiahy, fa nisy inona hono... afera privée sa nanao fika maizina. Fa be dia be koa no tsy niraharaha sy tsy nivakl... soa ihany fa misy ireo :-) (tohiny)

Namokatra Ny Taona 2009

hery 10 Desambra, 2009 17:54 Izaho sy ny ahy Rohy maharitra Verindrohy (trackback) (0)

Na teo aza ny  krizy ekonomika iraisam-pirenena, na teo aza ny black monday sy ny "Phénomène" Rajoel, na dia teo aza ny horohorontany mafy tao L'Aquila teto Italie, na dia teo aza ny fahafatesan'i Michael Jackson, na dia tsy lany tamin'ny "Grande Fratello 9" aza i Christina Del Basso (sipa be entana), sns sns. Dia mbola azoko lazaina hoe namokatra ihany ity taona 2009 ity.

Tamin'ity 2009 ity tokoa no nisy olom-pantatro be indrindra bevohoka sy teraka. Tao amin'ny fianakaviana akaiky (izahay mianadahy iray tam-po) fotsiny dia efa nisy zaza 3 teraka. Ankoatry ny cousines sy ny tantines sns (2 no fantatro). Toa izany koa ny avy amin'ny fianakavian'ny vadiko, cousines maromaro samy niteraka tamin'ity taona ity (3 no fantatro). Dia eo koa ny namana akaiky na any Dago (2 no fantatro) na ny aty andafy (2 no fantatro teraka ary ny 1 mbola ho avy atsy ho atsy). Na ny mpiara-monina eto Italia (3 no henoko hatramin'izao)... na ny eo amin'ny serasera (misimisy ihany).

Raha atotaly dia any amin'ny 20 any ny zaza teraka misy ifandraisana mivantana na ankolaka amiko... ka tsy izany ve no tena mamokatra? :-) 

Dia irariana mba hihoatra an'io amin'ny taona ho avy :-) Mazotoa mamokatra. 


Hitady Namana

hery 09 Desambra, 2009 15:37 Serasera.org Rohy maharitra Verindrohy (trackback) (0)

Hitako nisy tsy nety kely ny fitadiavana namana teo aloha teo. Raha vao miteny hoe lahy na vavy dia tonga dia tsy misy na inona na inona hita. Amin'izao dia efa mirindra tsara izany. Ahoana ny fomba fitadiavana namana?

1. Mandehana ao amin'ny takelaka namana.serasera.org 

2. Tsindrio ilay hoe Hitady namana na http://namana.serasera.org/namana/tadiavo

3. Fenoy eo ny mombamomba ny namana hotadiavinao (toerana ipetrahana, taona, etc.)

4. Mba tsy hitadiavana azy intsony amin'ny manaraka dia ataovy ho namanao manokana ny namana hita. 

 


«Mialoha   1 2 3 4 5 6 7 8 ... 71 72 73  Manaraka»

Powered by LifeType
© 2006 - Design by Omar Romero (all rights reserved)