Basilica San Paolo

Published on 03:38, 07/01,2006

Efa manomboka moa ny été eto Roma, dia manomboka koa ny fandehanana any an-dranomasina sy ny fitsidihantanàna ataonay . Ie, be loatra mihitsy ny zavatra eto Roma sy Italia ka raha tsy mitsidika tsikelikely dia angamba ho toy ny tany Nairobi hoe tsy nahita liona kanefa efa-taona tany Kenya.
 (tohiny)


Raha tany Dago aho...

Published on 00:03, 06/26,2006

Mandeha ao amin'ny forum serasera.org ao hoe ny gasy miasa aty ivelany dia manompo vazaha... (Tsy hainy aloha ny dikan'ny hoe miasa :-)), ka raha hanompo ihany ve hono tsy aleo manompo gasy?
 (tohiny)


26 jiona tany ho any

Published on 05:08, 06/24,2006

Tonga ny fetin'ny 26 juin dia kay misy 26 juin koa aty Italie (Jereo eto ny sary). Tadidiko fa ny fetin'ny 26 juin no fety malaza indrindra any ambanivohitr'i Madagasikara. Tany amin'ny dezak'i Betioky Atsimo, faritanin'i Toliara (Any amin'izany tanana atao hoe ... tsy holazaiko) dia tsy mahalala fety lehibe afatsy vaintisisy ny olona.
 (tohiny)


Fetin'i Faraniaina :-)

Published on 00:50, 06/19,2006

Tsingerin-taona nahaterahan'ilay Faraniaina ny 18 jiona. Faraniaina, Fara, Fafah, Niaina, Pôta, Paulette, fiantsoana azy daholo... arakaraky ny taona nandalovany, arakaraky ny toerana misy azy sy ny olona ifandraisany. Ie, anisan'ny nampiavaka an'i Fara io sarotiny amin'ny anarany io. Indraindray tsy misy mahazo miantso azy hoe Paulette afatsy izaho, indraindray tsy azo antsoina hoe Fara izy rehefa eo akaikin'ny mpiara-mianatra aminy, indraindra rehefa tsy miantso azy hoe Pôta dia ohatry ny tsy olona ao antrano... taty aoriana aza, efa lehibe, rehefa manoratra aty amiko izy dia misy sonia roa ery ambany dia ilay sonia iray nokosehina... tiana ho fantatro hoe tsy io intsony indray no iantsoana ahy fa ity vaovao ity.  (tohiny)


Soratra miteny

Published on 00:26, 06/15,2006

Amin'ny ankapobeny, rehefa mamaky taratasy avy any amin'ny olona akaiky, na pistily izany na avy amin'ny ray amandreny... dia tena ohatra ny hoe misy aina mihitsy ilay soratra. Tahaka ny hoe miteny aminao mihitsy ilay olona. Indrindra moa rehefa asiany soratra avy amin'ny feo (oh. "ha, ha, ha". Dia toa izany koa rehefa manoratra. Apetrakao ao anatin'ilay taratasy daholo ny fihetsem-ponao rehetra dia eritreretinao hoe hitan'ilay mamaky ny taratasy rehefa avy eo... ary dia mandaitra tokoa.
 (tohiny)


«Mialoha   1 2 3 ... 37 38 39 40 41 42 43 44 45 46 47 ... 57 58 59  Manaraka»