Euro2008: Mody ny Italiana

Published on 09:33, 06/23,2008

Eritreritra fohifohy sendra taorian'ny naharesen'i Italia alina.

Azo atao hoe tsy ao intsony ireo mpilalao italiana ireo fa tsy tahaka ny tamin'ny mondialy farany teo. Io no tena hadisoan'ny mpanazatra... satria izy no mpifidy mpilalao. Kanefa iza moa no mpilalao hofidina eo raha tsy misy? (tohiny)


CyberFety Gasy Androany

Published on 07:55, 06/21,2008

Androany ny fetin'ny mozika, hetsika maro isankarazany no hita aty Eoropa, ary inoako fa tsy ho latsak'izany koa ny toerana hafa. Fa miara-mitontona amin'izany indrindra ny cyberfety izay andraisan'ny Telomiova.org anjara ihany koa.  (tohiny)


Resa-baolina Euro2008 faram-parany

Published on 18:22, 06/16,2008

Koa satria mety ho raraka ny Italiana dia ity angama no resaka Euro 2008 faram-parany hosoratako. Raha tafakatra tampoka dia mbola hanoratra ihany aho :-)

Ny zavatra mitranga amin'izao fotoana izao dia miandry famindram-po farafahakeliny roa ny Italiana vao tafakatra amin'ny dingana manaraka.

Avy any amin'ny Pays-bas aloha... Naverimberin'ny Italiana matetika mihitsy hoe tokony mba hilalao tsara ry zareo mandritra ny fihaonany amin'i Roumanie rahampitso. Fantatra mantsy fa raha vao resin'i Roumanie fotsiny ry zareo dia miara-mody Italia sy i Frantsa... Manan-jo tsara mihitsy anefa i Hollande mba hampilalao an'ireo mpilalao mpiandry, izany hoe mety tsy dia hahay loatra, satria ny mpilalao tena izy dia tehirizina hiatrehina ny dingan'ny ampahefa-dalana.

Avy amin'i La Frantsa indray... mila mandresy an'i La Frantsa koa i Italia raha te hanana fahafahana be be kokoa ho tafakatra. Ezahina voizina be mihitsy hoe resy ireo tamin'ny Mondial ka tokony ho resy koa amin'ity fihaonana ity.

Fa maniona moa nefa Italia raha tsy tafakatra e? Raha tena nahay dia tsy nila notsotsofina tahaka izao akory... Wait and see


Ny andro androany? :-)

Published on 11:09, 06/13,2008

Mahafinaritra ny andro androany ho anay mahery vintana. Teraka tamin'ny vody alakaosy (ie, nojereko tamin'ny alimanaka tamin'izany fotoana izany). Zoma faha 13.

Ny zava-misy androany izany dia:

  • Vendredi 13: Raha manao lotto aho dia mahazo... fa zah tsy hanao :-) (C'est vraiment amusant de croire d'avoir un certain pouvoir et de ne pas en profiter :-p)
  • Saint Antoine de Padou: Tsy miasa ny tapakandro hariva... donc mahita baolina indray (yess).
    Saint Antoine de Padou mantsy no mpiaro ity toeram-piasana ity. Dia fety izany androany.
  • Euro2008 Italie - Roumanie: baolina sy politika. Nisy fotoana taloha resy ny Italiana dia be dia be ny Roumains tsy ara-dalàna noroahina. Mety mbola hitranga?


Serveur Vaovao RVG

Published on 12:06, 06/11,2008

Mandeha nanomboka androany maraina ny Serveur iray vaovaon'ny RVG. Avo roa heny mihoatra noho ilay teo aloha ny tanjak'io serveur io. Ny RVG moa dia mipetraka anaty serveurs dédiés roa ka ny iray serveur misy ny encodeurs sy ny fitaovana ho an'ny DJ, ny iray kosa misy ny Base sy ny Stream ary ny Serveur Web.

Amin'izao dia efa voafehy tsara ny fifindrafindrana serveur ary voafehy ho ao anatin'ny 30 segondra ny fahatapahana raha be indrindra. Ny mpihaino aza dia tsy mandre fahatapahana akory satria tonga dia mi-basculer ny IP (mampiasa IP fail-over).

Misy fikasana vitsivitsy tiana hatao mandritra io vakansy io (vakansy sisa no fotoana malalaka). Anisan'izany ny fanatsarana ny momba ny fandaharana hira. Hisy koa angamba ny version light-n'ny RVG... Wait and see.


«Mialoha   1 2 3 4 5 6 7 8 9 10 ... 55 56 57  Manaraka»