Takelaka sy thumbshots

Published on 03:51, 03/23,2006

Nahita hevitra vaovao aho omaly nametrahana thumbshot ao amin'ny takelaka.org. Mampiasa ny WebService-n'ny blogmarks.net ilay izy.

Amin'izao fotoana izao izany, ny takelaka rehetra apetraka ao amin'ny takelaka.org dia manomboka misy thumbshots daholo. Fanampin'izany ihany koa dia tonga dia référenciés any amin'ny blogmarks.net miaraka amin'ny tag hoe takelaka (ankoatran'ny tags izay napetraky ny nampiditra azy ao amin'ny takelaka.org).

Raha maharitra io blogmarks.net io dia mety ho tsara... fa ahiako ihany sahady satria imbetsaka no ahitana olana ny serveur-ndry zalahy.

Jereo eto ohatra ny fivoakany ao amin'ny takelaka.org


Ohatra blaogy

Published on 00:56, 03/22,2006

Hapetrako eto tsikelikely ireo blaogy hafa tsy ato anatin'ny blaogy.com izay nahaliana ahy... arakarak'izay tratra eny miaraka amin'ny hevitro kely isaky ny blaogy.
Ny antony dia mba ahafahana mampiseho hoe inona avy no ataon'ny olona amin'ny blaogy.  (tohiny)


Hadisoana vitsivitsy

Published on 10:05, 03/21,2006

Nisy hadisoana vitsivitsy nalefan'i fraz izany dia nahitsiko. Miampy
fanitsiana vitsivitsy ihany koa:

Tsy mitranga ilay adiresy imailaka hahafahana mahazo ny
valin'ireo commentaires (sady toa tsy azo ovaina ?)

Efa nahitsy fa angamba ok amin'izao.
Ny email dia tsy azo ovaina satria any amin'ny serasera no manova azy.

- Nanona teny miafina tao @ serasera.org dia niditra tao @ blaogy.com, dia
tsy mihatra fa ilay taloha ihany no nekeny ? sa miandry kelikely
?
Efa mety izy amin'izao fa nisy hadisoana koa teo

Fanampiny
Matetika rehefa manoratra dia misy hadisoana foana satria adino ny mifidy
sokajy. Amin'izao dia izay sokajy voalhany eo no voaray raha manadino
mifidy.


Ny fandraisana amin'izay

Published on 06:24, 03/21,2006

Ok Hiditra amin'ny fanatsarana tsikelikely ny pejy fandraisana amin'izay fa toa iny no ahafahana mitarika olona mialoha.  (tohiny)


7777

Published on 22:53, 03/20,2006

Mba nanaitra ahy fotsiny ny nahita an'ilay 7777 tao amin'ny namana omaly. Isan'ny namana ao amin'ny serasera.org. Raha ny tena izy dia efa nihoatra be noho io (efa ela no ni-dépasser ny 10.000) fa noho ilay hoevoafafa izay tsy mamangy ao anatin'ny 4-bolana dia io sisa.

 


«Mialoha   1 2 3 ... 49 50 51 52 53 54 55 56 57  Manaraka»