Serveur Vaovao RVG

Published on 12:06, 06/11,2008

Mandeha nanomboka androany maraina ny Serveur iray vaovaon'ny RVG. Avo roa heny mihoatra noho ilay teo aloha ny tanjak'io serveur io. Ny RVG moa dia mipetraka anaty serveurs dédiés roa ka ny iray serveur misy ny encodeurs sy ny fitaovana ho an'ny DJ, ny iray kosa misy ny Base sy ny Stream ary ny Serveur Web.

Amin'izao dia efa voafehy tsara ny fifindrafindrana serveur ary voafehy ho ao anatin'ny 30 segondra ny fahatapahana raha be indrindra. Ny mpihaino aza dia tsy mandre fahatapahana akory satria tonga dia mi-basculer ny IP (mampiasa IP fail-over).

Misy fikasana vitsivitsy tiana hatao mandritra io vakansy io (vakansy sisa no fotoana malalaka). Anisan'izany ny fanatsarana ny momba ny fandaharana hira. Hisy koa angamba ny version light-n'ny RVG... Wait and see.


Resy Italia Faly ny "Italiana"

Published on 12:55, 06/10,2008

Resin'i Holandy 3-0 (telo sy donga) i Italia omaly. Tahaka ny lehilahy rehetra dia mba tia mijery baolika kitra koa aho... ary manaraka sy tsy azo tabatabaina mihitsy rehefa fifanitsanana lehibe toy ny CAN, Euro, Mondial. Omaly ary dia ny ekipa Holandezy sy ny Italiana no nihaona. Fidirana voalohan'ny Italiana tamin'ity Euro 2008 ity. Fantatsika ny vokatra, resy 3-0 i Italia.

Fa ny tena nahagaga ahy, isaky ny misy baolina miditra dia misy mihoraka be foana. Kanefa tsisy Holandé mipetraka akory eny aminay eny. Dia rehefa nalefa ny eritreritra dia hoe misy tsy maka Italiana maro ny mpjery eny amin'ny manodidina anay eny... ary tsy matahotra atao hoe tsy maka ekipa Italiana. Toerana be vahiny mantsy eny, ka amin'izao mampafanafana ny resaka vahiny eto Italia izao dia atao daholo koa izay fomba rehetra hampisehoana ny fankahalàna ny governemanta. Dia afangarondry zalahy indray izany ny resaka politika sy ny resaka sport. Halako bika tsy tiako tarehy fotsiny izao.


Tsy afa-mamaly ny taratasy (2)

Published on 10:55, 06/06,2008

Milona be ny internet ato am-piasana. Misy tsivalahara mi-telecharger mitroka ny bande rehetra. Vokany mahakamo na dia ny manokatra mailaka aza. Izay tena important ihany sisa no voavaky... ny sisa miandry any an-trano. Rehefa any antrano anefa, maika hatory (yes... zava-baovao vao hita tato ho ato hoe hay mamy ilay matory aloha lol). Dia mba mifoha maraina fa variana amin'ny zavatra hafa indray. Milamina kokoa ilay mifoha amin'ny 4 na amin'ny 5 dia mahavita zavatra be dia be dia tsy voavaky indray ilay mailaka.

Ah! fa ny chat misokatra. Indrindra ny ao amin'ny karajia.org rehefa mampiasa Pidgin. Ny hafa mitsilopilopy eo.

Angamba mila sekretera partout-coller, sy parti-couleur... avis aux âmes-à-terre.

Sao dia ato ny hafatrao? :-)

Na koa


Velona indray ny takelako

Published on 17:00, 05/29,2008

Velona indray ny takelako hery.serasera.org rehefa niaraka nitsikasina tamin'ny serasera.org. Angamba mba hanana fotoana hanatsarana azy io aho amin'io été ho avy io. Io no takelaka tsy voakasika indrindra, satria ahy manokana dia tsy mahamaika foana.

Sady tsy dia misy zavatra mahaliana loatra koa ao fa nolazaiko eto fotsiny mba hampalaza azy kelikely indray. Nanjavona tao amin'ny pejy voalohan'ny google mantsy ilay izy rehefa tapaka nandritra ny andro maromaro.


Italia: Sahobakaka ambodiriana

Published on 10:48, 05/27,2008

Anisan'ny fomba fiteny malagasy ilay hoe manao sahobakaka ambodiriana (ny tohiny dia be dia be :-)). Ny sahobakaka ambodiriana dia ireny sahobakaka miezaka mitsambikina hihoatra riana ireny kanefa tsy afaka. Ny eritreritra be dia be fa ny hoza-pe no tsy maharaka. (tohiny)


«Mialoha   1 2 3 4 5 6 7 8 9 10 11 ... 55 56 57  Manaraka»