Pikla Amin'ny Alina

hery 29 Aprily, 2006 14:35 Tsiaro Rohy maharitra Verindrohy (trackback) (0)
Ato amin'ny sokajy hoe "Tsiaro" isika. Ity sokajy ity no ametrahako ireo zavatra vitsivitsy tadidiko hatramin'izao. Ny hanombohako azy dia resaka pikla... taxi. (tohiny)

Lisitra.Serasera.Org

hery 27 Aprily, 2006 23:52 Serasera.org Rohy maharitra Verindrohy (trackback) (0)

Vita tamin'ny alina ny dingana voalohany amin'ny fanavaozana ny takelaka lisitra.serasera.org. Efa ela ihany no naniriako hanavao an'io takelaka io ary efa vonona tao ny modules rehetra hampidirina ao amin'ny solaitra fa noho ny antony samihafa dia izao vao vita. Io takelaka io no azo atao hoe takelaka renin'ny takelaky ny serasera.org rehetra. Io no takelaka nisokatra voalohany tamin'ny taona 1999, dia avy eo ny tononkira, dia izay vao ny namana. Io no anisan'ny fitaovana niasa tamin'ireny fotoana mivaivain'ny 2001-2002 teo amin'ny Firenena ireny. Misy mpikambana mihoatra ny 1.300 ary nanaparitaka hafatra imailaka mihoatra ny 26.000 nandritra izay enin-taona izay. Mbola voatahiry eto daholo ny hafatra rehetra hatramin'ny voalohany.


Tonga Soa... Cousine :-)

hery 26 Aprily, 2006 00:07 Ankapobeny Rohy maharitra Verindrohy (trackback) (0)
Gaga be aho androany fa nahazo email izay tsy nampoizina mihitsy. Email tany amin'izay cousine kelinay izay. Tena mbola kely izy tamin'izaho tany Madagasikara fa ny taona moa mandroso ary ny ankizy koa maroroka ka inoako fa efa lehibe tokoa izy izao nanoratra tamiko izao.
 (tohiny)

Renzki's Hack Report

hery 24 Aprily, 2006 07:13 Blaogy Dev Rohy maharitra Verindrohy (trackback) (0)

I got a very urgent call for help from Renzki this afternoon. All his joomla sites got a parse error somewhere in mosce.php file.

After checking googles and joomla forum I understood that it's a hack... or more precisely a worm virus. It's very annoying. Almost in all directories, I see files like remote.php guest.php packages.php tests.php create.php etc... and also .htaccess files. those files contain quite the same script, they are base64_encode-ed so we can understand the files from decoding them.


 (tohiny)

Blaogy.Com: Version Vaovao

hery 24 Aprily, 2006 01:35 Blaogy Dev Rohy maharitra Verindrohy (trackback) (0)

Nivoaka ny version vaovao 1.0.4 ho an'ny lifetype izay nanamafy ny fiarovana eo amin'ny lafiny vitsivitsy. Dia nampidirina tato amin'ny blaogy.com koa io rehefa nojerena akaiky. Misy olana ihany isaky ny manova toa izao satria efa tsy original intsony ny blaogy.com fa efa namboarina hifanentana amin'ny filàna. Noezahina nahitsy izay tokony hahitsy... ary efa nandramana ihany koa ka tsy nisy olana.
Raha toa anefa ka sendra misy olana tsikaritrareo dia ilazao ihany aho.


«Mialoha   1 2 3 ... 58 59 60 61 62 63 64 65 66 67 68 ... 71 72 73  Manaraka»

Powered by LifeType
© 2006 - Design by Omar Romero (all rights reserved)