Ofisialy ny ambasadaoro eto Roma

Published on 02:24, 10/18,2008

Tohin'ny resaka omaly aloha :-). Tsss, gaga be izy fa hoe toa nihena hono ny tosaka tamin'ny eMule fa sao dia misy virus na misy zavatra tsy nety tao amin'ny ordinaterany (grrr). Dia tsy maintsy izaho indray no nantsoina nijery hoe inona marina no olana. Inona no holazaiko eo? Afak'omaly hono nandeha tsara fa mahatratra 100kbs ny fakàny film (ary fantany mihitsy kay hoe lasany daholo ny 100kbs)... dia maninona hono androany zara raha misy 30kb/s. Sady lagy aho no niteny moramora hoe nisy tsy nety angamba ny configuration-n'ny router fa hojereko. Tsy nanaiky ny anao lahy raha tsy niverina ny 100kbs. Tsisy fika... matevin-koditra.

Fa izany eo ihany fa "voaasa" tany amin'ny ambasady izahay androany fa izao vao tena ofisialy ny ambasadaoro vaovao . Nanolotra ny taratasy fanendrena azy tamin'ity herinandro ity mantsy Atoa. Jean-Pierre Razafy-Andriamihaingo, Ambasadaoron'i Madagasikara eto Italia. Nahafinaritra ny tany, euh... izay tratra dia nahafinaritra satria tara toy ny mahazatra indray izahay. Mahafinaritra koa ilay Rangahy, miresaka tsara. Somary vitsivitsy no tonga tao satria vitsy ihany no nantsoina. Olona 4 isaky ny vondrona na ny association. Izaho moa manana kasikety vitsivitsy ka dia izay moramora kokoa no nidirana. Dia tamin'ny anaran'ny malagasy.it no nandehanako teny.

Naka sary tao amin'ny ambassade tokoa aho androany, teo akaikin'ilay saina fa tsy nalain'ilay mpaka sary ilay saina tsss... kanefa ny azy nalaiko nisy saina. Apetrako eto ambany ihany na izay aza.

Be resaka be aho? Jereo eto ny antony raha mbola tsy nahita :-)

 


Serasera eto Roma: Tongava daholo :-)

Published on 10:45, 07/02,2008

Dia raikitra indray izany ny fihaonan'ny namana serasera.org eto Roma amin'ity vakansy ity. Ity no fihaonana faharoa hotanterahina eto Roma... ny fihaonana tamin'ny toerana hafa moa dia efa nisinisy ihany (Paris, Antananarivo, Mahajanga, Nice, sns.)  (tohiny)


Fete de l'Internet: Ho ao ny Telomiova

Published on 15:47, 06/25,2008

Dia am-pifaliana no hilazana amintsika sy hanasana antsika rehetra fa handray anjara mavitrika ao amin’ny "Fete de l’Internet" ao amin’ny Hotel Carlton (Hilton teo aloha) ny Telomiova amin’ny 28-29 jiona 2008 izao.

 (tohiny)


CyberFety Gasy Androany

Published on 07:55, 06/21,2008

Androany ny fetin'ny mozika, hetsika maro isankarazany no hita aty Eoropa, ary inoako fa tsy ho latsak'izany koa ny toerana hafa. Fa miara-mitontona amin'izany indrindra ny cyberfety izay andraisan'ny Telomiova.org anjara ihany koa.  (tohiny)


Ciao Pavarotti

Published on 09:00, 09/07,2007

Dia nindaosin'ny fahafatesana ihany koa i Pavarotti omaly maraina teo amin'ny faha 71 taonany. "Tenor" malaza eran-tany efa efa-polo taona mahery izao. Tamin'ny taona 1961 tokoa mantsy no nanomboka nalaza ny fahaizany mihira amin'ny Opera. Niitatra era-tany izany lazany izany ka noho izy dia betsaka ny olona no nanjary tia sy nahalala ny momba ny Opera. (tohiny)