P. Paul-Louis: ilo tsy very

Published on 13:40, 09/06,2007

P. Paul LouisTontosa ny fandevenana an'i P. Paul-Louis. Napetraka ao amin'ny fasan'ny Zezoita ao Tiburtina izy. Nisy maromaro ihany izahay Malagasy teto Roma no tany, ary nisy vazaha vitsivitsy koa. Koa satria toerana tsy azon'ny fiarakodia tsotra naleha ny toerana namoahana azy dia nakan'ny Zezoita fiarabe iray izay Malagasy te handeha handevina.  Nohiraina teny an-dalana ny hira sasany izay tena nahafantarana azy "Ahiratray ny masonay", "Jesoa Kristy" (Nanjohy iny lalana iny). Tsy afaka tao antsaina ny teny nambarany, indrindra ireo hafatra izay toa efa napetrapetrany tamin'ny lamesa farany niarahana tamin'ny tamin'ny volana jiona. Mandalo tokoa ny olombelona.

Betsaka ny mamy navelan'i P. Paul-Louis. Samy mahatsapa an'izany izay nifanerasera taminy. Ny anisan'ny tsapako dia ny nahatafatsangana ny Aumonerie Malagasy eto Italia izay izy no Aumonier voalohany. Dia ny toriteniny manaitra ny ati-fanahy ihany koa.

Ilo tsy very ao amin'ny tsirairay izany. Mba ho maty namela mamy tokoa izy. Hoy ilay mompera namaly ny teny fampiononana hoe "Nozarazarainy tamintsika tsirairay ny fony... ny fitiavany, mitoetra ao am-pontsika ny zavatra nataony... koa ny fampiroboroboana izany no fahatsiarovana lehibe mendrika azy."

Mandria am-piadanana. 


Blaogy.com sa Blaogy.org? Malalaka ny safidy

Published on 13:10, 01/23,2007

Misokatra ihany koa izao ny blaogy.org izay manome antsika blaogy hafa solonanarana.blaogy.org, fitaovana hafa, fomba fiasa hafa, teknika hafa, fa ny tanjona dia iray ihany. Mba hahafahan'ny namana serasera manana toerana azy manokana... amin'ny teny malagasy (mbola lavitra ny ezaka). Miara-mivoatra ny blaogy.com sy ny blaogy.org ary safidy malalaka ho an'ny tsirairay ny hampiasa ny iray na izy roa mihitsy... ny solonanarana ihany no fototra tsy miova. Ary anjaran'ny tsirairay no mampahafantatra ny takelany.

Momba ny fanatsarana dia ezahina hiara-mivoatra izy roa ireo. Somary nomena lanja kokoa ny blaogy.org mandra-pivoakany fa amin'izao kosa dia tsy hisy ny tombo sy hala.

Dia mirary blaogy mahafinaritra :-) 


Vaovao ny taona... ny inona koa?

Published on 11:59, 01/02,2007

Vaovao izany ny taona. Dia ny inona koa? Tsy  mbola tafatombona tsara angamba aho dia tsy mbola hitako izay tena tokony havaozina... fa inoako fa misy vitsivitsy tokony hohatsaraina. Holazaina miandalana eo ihany.

 (tohiny)


«Mialoha   1 2