Ny Tsikinao Omena

hery 31 Desambra, 2008 10:26 Tsiaro, Izaho sy ny ahy Rohy maharitra Verindrohy (trackback) (0)
Raha namako ianao
Ka sendra nahalala
na nahita tany ho any
fa fetiko ny androany
Dia aoka kely aloha
Aza maika akory
Handany ron-doha
Hitady fanomezana
Ka handefa tsiaro
Voninkazo iray fehezana
Na taratasy   maro.
Fa tsiky kely iray
Dia efa ampy ahy.

Na fetiko aza androany

Zavatra tsy haiko
Sady koa tsy tiako
Ny hangataka aminao
Harena mora lany
Fa ny hany ilaiko
Sy ampy hifaliako
Dia ny tsikinao
hameno ny androany

Tsiky iray omena
ireo izay mifanena
sy olon-tsendra anao.
Na fantatra na tsia, tia na mankahala
Sakaiza, mpiara-dia, fahavalo na malala
Tsiky ho an'ny olona izay hitanao rehetra
Akama vaovao, olom-patatra etsetra

Ary na irery tsy misy izay mijery
Dia mitrakà mangina
Asio fitsikiana

Izay!

Tsikinao dia ampy
Fa mahasolo hira
Tsikinao dia ampy
Hataoko sovenira

Dors Petit Homme

hery 06 Desambra, 2008 11:55 Tsiaro Rohy maharitra Verindrohy (trackback) (0)

Hira anisan'ny tiako indrindra tao anatin'ny disque 45 tours tany antrano... nahafinaritra ery ny nihaino azy. Dia vao mainka koa mahafinaritra sy hahafinaritra rehefa henoina amin'izao fotoana izao.

 

 


Le Commutateur-6 Qui A Tout Bouleversé

hery 20 Martsa, 2008 16:47 Tsiaro Rohy maharitra Verindrohy (trackback) (0)

(Ny lohateny fotsiny no teny frantsay) :-)

Tao amin'ny trano nahatsiarovako tena voalohany indrindra dia ambonimbony ihany ny fanapihana jiro ("interrupteurs"). Natao tsy ho takatry ny ankizy mihitsy. Mitsambikina aho izany rehefa handrehitra jiro. Dia tadidiko tsara fa rehefa handrehitra jiro dia midina ambany hatrany ilay fandrehetana azy. Moramora ho ahy kokoa izany ny mandrehitra jiro noho ny mamono.

 (tohiny)

Chapelle Militaire Ste. Croix

hery 16 Septambra, 2007 09:52 Tsiaro Rohy maharitra Verindrohy (trackback) (0)

Fankalazana ny fetin'ny Chapelle Ste. Croix tamin'ny Zoma teo fa androany no tena anaovana ny fetim-piangonana. Ny Chapelle Militaire Ste Croix dia chapelle misy ny Aumônerie Militaire teny Ampahibe, izany hoe natao ho an'ny miaramila. Tao no fiangonanay amin'ny maha-zanaka miaramila anay. Ny mampiavaka an'io fiangonana io dia sady an'ny Katolika no an'ny Protestanta... satria misy Protestanta koa ny miaramila :-)  (tohiny)

Zanaka-Miaramila (Eloge à Mon PèRe)

hery 26 Septambra, 2006 10:43 Tsiaro Rohy maharitra Verindrohy (trackback) (0)
Niaina tao anatin'ny maha zanaka-miaramila nandritra ny fahazazako hatramin'ny faha-20 taona aho... nefa dia niaina toa ny zaza sy ny tanora rehetra. Marina fa somary mafimafy ny fitsipi-pitondrana tao antrano... fa rehefa miaina ao anatiny maharitra ianao dia tsy mahatsapa izany akory. Taty aoriana aza, nony efa lehibe aho, dia hitako fa tsaratsara kokoa ny nitondran'i papa anay zokinjokiny (3 lahy) noho ny nanabeazany an'ireo zandry. Efa somary nilefitra mantsy izy dia hita ho niova avy hatrany ny fanabeazana, ary niova toa izany koa ny vokany. (tohiny)

Powered by LifeType
© 2006 - Design by Omar Romero (all rights reserved)